airtel

Politique

29-août-2022

Politique

Faritra Vakinankaratra Ben’ny tanàna 25 amin’ny 90 no nandray ny samboady

Sample post image

Ben’ny tanàna 25 amin’ny 90 no hany tonga ka nametrahana samboady nandritra ny famaranana ny tsenaben'ny kaominina 90 mandrafitra ny Faritra Vakinankaratra.

29-août-2022

Misy ny milaza fa noho ny lonilony politika eo amin’ny Ben’ny tanàna mpitarika ny Fikambanan’ny Ben’ny tanàna ao amin’io faritra io, sy ny tompon’andraikitra ambonin’ny faritra no anton’nizany. Tombatombana avokoa moa izany hatreto, fa ny tsikaritra, toa misy tsy milamina ao. Tetsy ankilany, nanambara ny Minisitry ny Atitany Atoa Tokely Justin fa efa mihatra ny fampiakarana ny tohana na “subventions” ho an’ny Kaominina ho fampiodinana azy, ka isan’ny misitraka izany ireo kaominina ao amin’ny faritra Vakinankaratra. 20 tapitrisa Ariary isan-taona io teo aloha, ary nakarina ho 30 tapitrisa Ar. Raha atao ny kajikajy, manodidina ny 51 miliara Ar eo izany raha ampitomboina ny isan’ny kaominina 1695 eto Madagasikara. Tsy ampy ampahaefatry ny vola hampiodinana minisitera iray akory io. Izany ve no tena antsoina hoe: fitsinjaram-pahefana sy fampandrosoana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap