airtel

Politique

17-févr-2022

Politique

Fetison Andrianirina “Manao izay tsy itiavana azy ny Fitondrana”

Sample post image

“Manao izay tsy itiavana azy mihitsy kosa izao fitondrana izao, raha ny fahitana azy. Aiza ve koa efa mpivady no mitantana ny CENI sy Ministeran'ny Asam-panjakana no mbola homena azy ireo koa ny Fitsarana?

17-févr-2022

Na izany no atao hoe tsy fitandremana (maladroit) na koa tena fifampidiran'andraikitra mivantana (conflit d'intérêt manifeste). Mila fitoniana anie isika, handrosoana. Ekena fa zony izany, fa na izany aza!”, hoy ny fanehoan-kevitr’Atoa Fetison Rakoto Andrianirina, filohan’ny antoko politika Roso ho amin’ny demokrasia sosialy na RDS omaly. Niteraka adihevitra hatry ny ela io, saingy tsy te hahalala izany ny Fitondram-panjakana. Tsy mipetraka intsony ny resaka etika sy deontolojia, ary tsy afaka ny hihaino sy hanitsy tena intsony ilay Fanjakana fa ny azy ihany no heveriny fa marina sy tsy maintsy ekena. Misy ny zavatra tokony hosoratana ho lalàna fa mety misy tsy mila atao lalàna akory, fa ny fahintsiana sy ny fandinihana dia efa ahafahana mandrefy sy mamoaka tsoa-kevitra hoe: izao kosa mba mety ary izao tsy mety, saingy sarotra ho an’ilay Fanjakana ankehitriny ny hanaiky izany. Toa efa tafiditra ao anatin’ilay toe-tsaina tsy refesi-mandidy ka mieritreritra fa na inona na inona ataony dia tsy misy afaka ny hikitikitika azy. Raha mitohy anefa ny hazo lanin’ny voalavo ny lanitra! Izay nafafy anefa no tsy maintsy hojinjaina ka tsy misy hiasa maina, ary tsy misy ho afa-maina fa manam-petra io fahefana io.

Toky R
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Tsy nisy fitsabatsabahana nataon’ny vondrona eoropeanina loatra tamin’ny zava-nisy

Card image cap
17-mai-2024

Anisan’ireo nampanantenain’ny filoham-pirenena fa hananganana kianja manara-penitra ny ao Ankazobe.

Card image cap
17-mai-2024

Nivadika tanteraka ny rasa ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana.

Card image cap
17-mai-2024

Efa manao izay tiany atao ny mpitondra fanjakana, hoy ny mpamakafaka, mpanao politika,

Card image cap
17-mai-2024

Niaiky hatrany ny Filoha Andry Rajoelina fa tena marary isika amin’ny lafiny angovo,

Card image cap
16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap