airtel

Politique

26-août-2026

FFKM

_Fikaonandoham-pirenena

Sample post image

Hamadika ny pejy sy hanoratra tantara vaovao isika ! »

26-août-2026

Raikitra ny fikaonandoham-pirenena taorian’ny fihemorana vitsivitsy nanomboka ny desambra 2025. Tontosa tetsy amin’n Village Voara Andohatapenaka ny fotoam-bavaka sy fampahafantarana ny mpandrindra nasionaly sy ny foiben-toerana ary ireo dingana samihafa mahakasika ny fikaonandoham-pirenena izay tarihan'ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy ao amin’ny FFKM. Toko telo ao anatin'io ny FFKM izay mitarika manontolo, ny Minisiteran'ny fanavaozana manao tan-tsoroka na «encadrement », ny komity teknika tarihin'ny Praiminisitra miantsoroka ny fampitaovana sy ny ara-bola ary hampiakatra ny fehin-kevitra amin'ny governemanta. Hitarika izany ny Filoham-piangonana 4 miralahy ahitana ny FJKM, FLN, Anglikanina, ary ny EKAR, miaraka amin’ireo rafitra ahitana Filankevi-pitantana rafetina mpitondra fivavahana, teknisianina sy avy amin’ny sehatra samihafa,… ka anisan’ny mandrafitra izany Atoa Olivier Rabe Landry, Serge Zafimahova, Andrianasolo José, Zazah Ramandimbiarison,… Misy ny mpandrindra izay ahitana sokajy maromaro isan-tsehatra toy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana, ny resaka lalàna, toekarena,… « Ny Firenena iray dia tokony haka fotoana hihainoana ny mponina ao aminy, ary tonga ny fotoana taorian'ny krizy maro nifanesy. Tsy ory tetikasa sy fampanantena ny Firenena, fa tsy ampy fotoana tena nifampihainoana am-pahintsiana », hoy ny Mpandrindra Nasionaly. Tsy ho an'olombitsy na firehana, fa ho an'ny Malagasy rehetra hatrany ambany ravin-kazo, tsy sivanina, tsy ovaina ny fitaterana azy. Nanome toky fa tsy hiandany, tsy hiaro tombotoan'antoko na Vondrona. Hangarahara ny fomba fiasa rehetra, hisy tatitra mazava sy tamberin'andraikitra,... Tsy angataka fitokisana fa hanaporofo izany amin'ny fiasa, ka tsy hanao sarintsarina fakan-kevitra. Hamaky bantsilana raha misy teti-dratsy hamadika ny feom-bahoaka ho an'ny tombotsoana Vondrona na olom-bitsy. "Fotoana izao, tsy ny fikarakarana ihany no antoky ny fahombiazan'ny dinika, fa ny fahatsapan'ny Malagasy rehetra fa azy ity", hoy ny mpandrindra nasionaly.

MANORATRA TANTARA SY FIHAINGANA VAOVAO
Navoitra fa manoratra tantara, ary fihaingana vaovao ho an'ny Firenena, ka anjaran'ny vahoaka no miteny sy manorina manomboka izao, hifanaraka amin'ny tombotsoan'ny Malagasy sy ny filan'ny Firenena. Navoitran’ny Filohan’ny FFKM Mgr Ranarivelo Samoela Jaona kosa, fa tsara raha mazava ny zava-misy marina. Talohan'ny 2025 raha nisy ny krizy dia isaorana, hoy izy, ny antson'ny vahoaka ho an'ny fiangonana. Mahatsapa fa manana andraikitra ny FFKM ka nifanojo ny resaka. Hatramin'izay ny FFKM irery, nanao izay tratry ny heriny, saingy tsy anjaran'ny FFKM ny manatanteraka ny tapaka tamin'izany, fa eto dia nisy ny antson'ny Fanjakana, nandray izany ho iraka lehibe ny fiangonana. Nisaorana ny fanehoana hatrany amin'ny sehatra Iraisam-pirenena fa matoky ny FFKM. "Matoky ary mifampatoky rehefa vonona hifampitantana. Fotoana izao hamadihana ny pejy", hoy ny Filohan'ny FFKM nanipika fa tsy tokony hanapi-tsofina eo anatrehan'ny kiakiakan'ny vahoaka Malagasy mangetaheta fanovana, ary manomboka amin'ny tsirairay ny fanavaozam-pirenena. « Tsy tokony ho variana mifampitsikera na hitady tombotsoa manokana. Asa goavana no miandry ka mila fifampitantanana fa tsy fifaminganana. Miandry ny tsirairay ny Firenena », hoy hatrany ny Filohan’ny FFKM. Nambarany fa mila fanapahan-kevitra, fomba fijery, ary fomba fiasa vaovao. Betsaka ny andrasana, izao dia efa betsaka ny adihevitra politika, toekarena, sosialy,... Mila finiavana ara-moraly sy ara-panahy izay tsy maintsy havaozina, mila mianatra ny navelan'ny tantara,... Mpitarika ihany, andraikitra ihany ny an'ny fiangonana fa ny rehetra no hazakazaka ao anatin'izany, raha ny nambaran’ny Filohan’ny FFKM izay naneho fa fotoana hamadihana ny pejy sy hanoratana boky vaovao ho an’ny Firenena mihitsy aza izao.
Toky R

 

Dans la même rubrique

26-août-2026

krizy sy savorovoro be intsony aorian’izao! »

Card image cap