fa efa taty amin’ny 13 martsa, ary ny mikasika an’Antanimora SUD nosarahana tamin’Ambovombe izay vao nankatoavina ho lasa distrika faha-120 aza tsy hita tao anatin’ilay tatitry ny filankevitry ny minisitra momba ny famaritana ny isan’ny depiote. Lasa mivadika ho faminavinana fotsiny hoe : mihena ho iray izany ny ao Ambovombeizay nanana depiote 2 ary iray ny ao Antanimora Sud ? Vao omaly, taty amin’ny faha-14 marsa vao nolaniana tany anatin’ny filankevitry ny governemanta ny maodelin’ireo pitsopitson-taratasy ho an’ireo kandida solombavambahoaka, raha toa ka efa ny 28 martsa hatramin’ny 6 aprily ny fametrahana antontan-taratasy. Tahaka izany ihany koa ny fandaniana ny pitsopitsony arahana amin’ny fifidianana solombavambahoaka. Rehefa zohiana, ny mpitondra no manao izay danin’ny kibony, manao ny mafana sy ny mangatsiaka amin’ny fifidianana, ka tiany hakarina ho 20 tapitrisa Ar ny antoka ara-bola dia ataony mba hanintsanana ny manan-kevitra fa tsy manam-bola, tiany hampiana 12 ny isan’ny depiote dia izay izany, ny olon’ny fitondrana efa misy manao propagandy mialohan’ny fotoana,… Marina fa eo ny firesahana ny pitsopitsony ara-teknika hoe : niakatra ny isan’ny mponina, fa miharihary ihany koa ny kajy politika hanomezana herijika ny volomboasary any amin’ireo toerana mety tsy ahitany rirany, raha tarafina amin’ireo distrika vao nakarina ho manana solombavambahoaka ireo. Vao aty amin’ny fanombohana dia efa betsaka ireo zavatra mampanahy, ary ny sary mitranga dia miomana hanao izay faraheriny sy ny fomba rehetra hakana ny maro an’isa hahazoana fahamarinan-toerana ny volombosary. Mbola manamafy ny ahiahy ohatra, raha miverina amin’ny lisi-pifidianana ireny karazana ampamoaka nataon’ny Lehiben’ny distrikan’i Mahajanga II izay nilaza fa marobe ireo anarana tsy nampidirin’ny komity ifotony eny amin’ny fokontany, tsy niainga avy amin’ny komity ifotony teny amin’ny fokontany kanefa dia tafiditra ho azy tany anaty lisi-pifidianana tamin’ny alalan’ny CED izay tsy manana lisitry ny olona mipetraka amin’ny fokontany,... Asa hanao indray ny ho fipetrak’ity fifidianana solombavambahoaka izay manakaiky vahoaka kokoa ity ?
Toky R
Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.
Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny
Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana
Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny
An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,
Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo