na Jeneraly Baomba tato anatin’ny tapa-bolana teo. In-droa niantaona ny nanaovany ilay resaka toa zary lasa miendrika fandranitana sy fihantsiana ny mpanohitra sy ny vahoaka fa tsy misy maharesy miaramila sy tafika izany, tsy manana hery entina hanoherana ny mpanohitra, tsy hisy fanonganam-panjakana,… Toa lasa misy endrika maneho, fa na inona na inona tsy fahombiazana sy hadisoan’ny mpitondra dia tsy misy olana satria manana basy aman-tafondro. Tokony ho ny mpitondra ve no handranitra sy hihantsy vahoaka ao anatin’ny tsy fahombiazany ? Moa tsy ny mpitondra aza no tokony hanao sy hitady izay fomba rehetra hampitony sy tsy hampitroatra ny vahoaka amin’ny alalan’ny fikaroham-bahaolana sy fanalefahana ny fahasahiranana samihafa toa io pimaso amin’ny fampidinina vidin-tsolika io? Dia mbola ireny anefa ny vava mivoaka hoe : «… Tsy aiko raha izaho mbola tompon’andraikitra, fa manandrama mandeha amin’ny arabe…». Mandeha ny karazana fandrahonana. Te haneho ve ity Jeneraly efa tsy am-perin’asa ity fa mbola manana dian-tanana sy afaka mibaiko ny mpitandro filaminana ? Te haneho amin’ny Fitondrana sy ny Filoham-pirenena fa izy no mbola mitondra ny baolina raha resaka manodidina ny mpitandro filaminana ? Iza anefa no manana tombotsoa raha misy ny rotaka izay mety ho avy amin’ny vava tsy ambin’ny mpitondra no mety hisian’ny fipoahana ? Manana tombotsoa hisian’izany ve i Andry Rajoelina ? Manomboka misy ny mametra-panontaniana, eny fa na ny olon’ny fitondrana sasany aza hoe : sao dia mba efa fanipazana hoditr’akondro ho an’i Andry Rajoelina no ataon’ny Filohan’ny Antenimierandoholona ? Raha misy fanalana na ny fionganan’ny Filoham-pirenena dia ny Filohan’ny Antenimierandoholona no miakatra eo amin’ny toerana raha ny voalazan’ny andininy faha-52 amin’ny lalàmpanorenana ka sao efa tsipy hoditr’akondro hanaovana izay hanafaingana ny fionganan-dRajoelina ny endrika fandranitana ny mpanohitra sy ny vahoaka mivantana na ankolaka ? Manampy trotraka an’ireny ny nilazan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona tamin’ny fandaharan’ny fahitalavitra vahiny ny faramparan’ny taona teo fa raha mandeha aty Madagasikara dia mitohana ny fifamoivoizana eto Antananarivo sy ireo tanàn-dehibe, betsaka ireo olona miantsena amin’ny tsena lehibe ka tsy azo lazaina fa mahantra ny Malagasy ? Izany ve tsy fanesoana sy fanompana vahoaka ankitsirano ? Tsy tokony hipirina aza ve no tokony hataon’ny mpitondra ?
Toky R
Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.
Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny
Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana
Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny
An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,
Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo