airtel

Politique

13-sept-2022

Politique

Fihaonana an-tampon’ny Frankofonia Nanasa ny Filoha ny Sekretera Jeneralin’ny OIF

Sample post image

Taorian’ny fahatongavany teto Madagasikara ny 10 septambra teo, noraisin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina teny Iavoloha ny Sekretera Jeneralin'ny ny OIF (Organisation Internationale de la Francophonie),

13-sept-2022

Ramatoa Louise Mushikiwabo omaly 12 septambra 2022. Tafiditra ao anatin’ny fitsidihan'ity Sekretera Jeneraly ity ireo firenena mampiasa ny teny frantsay eto amin'ny ranomasimbe indiana moa izao diany eto Madagasikara izao. Noresahana ny fanamafisana ireo seha-piaraha-miasa eo amin'ny OIF sy Madagasikara toy ny fanohanana ireo vehivavy eny amin'ny tontolo ambanivohitra hahaleo tena amin'ny alalan'ny fandraharahana, ny ady amin'ny fiovaovan’ny toetrandro, ny fanohanana ireo ezaka amin'ny sora-piankohonana (état civil), ny fanabeazana sy ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy eto Madagasikara. Nizara ny hafaliany amin'ny fahombiazan'ireo tetikasa iarahan'ny OIF amin'i Madagasikara Ramatoa Louise Mushikiwabo ary naneho ny faniriany ny hivelaran'izany bebe kokoa ankoatran'ireo kaominina andrana (sites pilotes), araka ny tatitry ny Fanjakana. Nanasa manokana ny Filoha Andry Rajoelina ihany koa ny tenany amin'ny fihaonana an-tampon'ny firenena miteny ny teny Frantsay izay hatao any Tunisie ny 19 sy 20 novambra ho avy izao. Tena hain’ny Fanjakana Malagasy ve ny misikotra izay tokony ho tombotsoa azo anatin’ny Frankofonia ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap