airtel

Politique

11-mars-2024

FIKAMBANANA VAVEA ANTANANARIVO

Tafatsangana, vonona hampandroso ny firenena

Sample post image

Vonona handray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana ny

11-mars-2024

firenena ny fikambanana VAVEA na ny Vahatse Ty Vezo Araho sampana Antananarivo, tarihin’ny filohany Atoa Zipa Jean Hubert. Nivoitra izany tamin’ny Sabotsy teo nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Mon gouter Anosy ka anisan’ny tanjon’izy ireo ny hanampy ireo mpikambana vezo eo Antananarivo na manana olana na tsia arahin’ny fijerena ireo karazana paikady hampiroboroboana ny faritra misy azy mba hampandrosoana ny firenena. Tafiditra ao anatin’izany ny fijerena ilay toe-karena manga. Notsiahivin’izy ireo mantsy fa saika monina amin’ny sisin-dranomasina avokoa ny foko Vezo. Ny fanjonoana ny trondron-dranomasina no tena foto-pivelomany noho izany izay mbola azo trandrahana tsara. Toraka izany koa ny fitrandrahana ny algue izay nambaran’izy ireo fa azo hatao fanafody no sady azo hatao sakafo tsara nefa tsy voajery ihany koa. Miantso ny fanjakana mba hifanohana aminy araka izany ny fikambanana izay marihina fa tsy manao politika saingy vonona hanome tanana amin’ny fampandrosoana ny firenena kosa. Ny 30 Septambra lasa teo moa raha tsiahivina no tafatsangana ny birao vaovao hitantana ny fikambanana.
Pati
Legende : Ireo mpikambana eo anivon’ny birao vaovao mandrafitra ny VAVEA sampana Antananarivo !
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap