notsiahivin’ny Minisitry ny Fanavaozana Hanitra Razafimanantsoa omaly, fa nisy fikasana maro mikasika ny fikaonandoham-pirenena natao tamin'ny desambra, jona,... fa izao vao tena tanteraka. Navoitra fa Fikaondoham-pirenena miainga any ifotony dia ny fokontany, hajaina tanteraka ireo dingana samihafa, homena sehatra ny Malagasy. Matoa, hoy izy, nosafidiana ny FFKM dia tsy tongatonga ho azy, misy antony,... Samy te hitondra anjara biriky ny rehetra, tsy ho mora ny zavatra hatao hiainga eny amin'ny fokontany, kaominina, distrika, faritra, nasionaly,... Tsy mbola nisy ny hoe ny Fanjakana sy ny FFKM no hiaraka hitarika. « Efa nisy ireo tany aloha saingy tsy nahavaha olana satria tsy nampandraisina anjara ny vahoaka. Matetika vahaolana politika no nentina teto fa tsy novahana ny tena olana fototra hatrany ifotony. Tsy azo atao kitoatoa, tsy maimaika, tsy vitan'ny Fanjakana na ny FFKM irery, fa an'ny vahoaka manontolo, entina hamolavolana ny lalàmpanorenana, mikitika ireo rafitra ho tsara kokoa,... », hoy Rtoa Hanitra Razafimanantsoa, izay nanipika fa fanavaozana ny Repoblika no tanjona, firaisankina ho an'ny rehetra, ary tsy hampisara-bazana an'i Madagasikara no atao. Nampahatsiahy kosa ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison fa betsaka ny krizy teto. Ny 2 farany dia ny 2023 izay nisy fifidianana, nisy grevin'ny kandida 11. Ny 2025, nisy an'ireo mpanao politika telo, ny tanora, ny fiantsoana ny miaramila, ny fijoroan'ny Kolonely Randrianirina Michael sy ireo 4 mirahalahy,... izay tsy nisafidy ny hanao izay saim-patany hoe "héros de la nation", fa nametraka ny tombotsoan'ny Malagasy. Niantso ny FFKM sy ny komity Mpandrindra mba ho ny tombotsoan'ny Firenena irery ihany no hibaiko, zavatra mampiray, tsy maintsy mifanaraka amin'ny tadiavin'ny Malagasy ary mifanaraka amin'ny Politika ankampoben'ny Fanjakana momba ny fanavaozana no atao,... "Tsy tokony hisy intsony ny krizy politika sy savorovoro be aorian’izao fa ny tsy fitovian-kevitra mampandroso no hisy", hoy ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison. Nahitsy kosa ny Mpanolotsaina avon’ny fanavaozana, Kolonely Rampanarivo Solofoniaina Thierry fa tsy fotoana hanaovana kabary poakaty na ifamaliana izao, fa fotoana hamaritana ny olana sy hametrahana ny andraikitra sy fapahan-kevitra hentitra. Hanambarana ny hery rehetra hisian’ny Madagasikara mandroso sy milamina. Tsy resaka firehana politika iray na vondrona iray fa ny tombotsoan'ny Firenena no eo ambonin'ny tombotsoan'ny tsirairay. « Ny fanavaozana dia tsy fanoloana olona fotsiny, tsy fanovana toerana fotsiny, fa fiovan-tsaina, fiovan-toetra, fa fanovana lalina ny fitantanana ny Firenena. Ny fanavaozana, dia tsy entina hampisaraka fa hampiray, tsy hifandrafy fa hifampihainoana, tsy handrava fa hanorina,... « Ny fikaonandoham-pirenena irery ihany no lalàna ivoahantsika amin'ny krizy, ka miankina amin'ny fahombiazan'ity ny ho avin'ny Firenena. Tsy ekena intsony ny hiverenan'ny krizy miverimberina. Tsy mila fampanantenana vaovao i Madagasikara fa mila vokatra », hoy ny Kolonely Rampanarivo Solofoniaina Thierry.
Toky R