airtel

Politique

22-mai-2026

Fikaonandoham-pirenena

Milaza ny marary azy ny mpitsabo

Sample post image

Tena ny fanasaziana ny mpitsabo ao

22-mai-2026

amin'ny HJRA ve no vahaolana, hoy ny Dokotera mpitsabo, mpamonjy voina, Dr Zafiniavo? Raha ny zanakao no lasa Dokotera ka asaina miasa ao, hoy izy, ho foana ve ny fitarainana ao? Tena tsia no valiny. Alefako eto ny fikaonan-dohako. Ireto dia olana efa taona maro fa tsy vao 2025 -2026 akory. Manoloana ny fitarainan'ny olona mitondra marary ao amin'ny HJRA; Isany ny "kit d'urgence" na fitaovana ilaina amin'ny vonjy aina. Efa misy eny, tena tsara tohizana. Mandray marary 100 isa isaky ny 24 ora ny sampana mpamonjy voina na "urgence". Indrisy anefa fa dokotera 2 na 4 no miasa isan'andro. Dokotera 8 isan'andro no tokony hiandraikitra azy raha ny tokony ho izy. Ny vahaolana, noho izany, dia tokony ampiana ny mpitsabo, mpamonjy voina na "urgentiste" ho an'ny "urgence" na sampana mpamonjy voina. Omena "indemnité de risque" na tambin-karama noho ny risika mety hihatra aminy vokatry ny aretina azo amin'ny asa toy ny VIH, "infection" na fery isan-karazany, fiaretan-tory sy ny toy izany ary tsy atao karama varimasaka. Marary mila fandidiana saingy ireo Dokotera mpandidy mbola any amin'ny "bloc opératoire" na toeram-pandidiana, hany ka miandry elabe ny marary hafa ilaina azy ireo dia lasa saina ny mpanaraka hoe mila manome kely an'i Dokotera angamba dia voaray nefa dia tsy fahampian'ny mpiasa no Olana. Iny fa mamorona kolikoly isika. Mila ampiana izany ireo Dokotera mpandidy sy mpampatory matihanina na "titulaire" mpiasam-panjakana. Aza avela hitsoaka any ivelany fa omeo asa sy karama sahaza ny fianarana lavareny! Efa elabe ny fanafody no azo nefa tsy misy nametaka satria "infirmier" na mpitsabo mpanampy 1 isaky ny 24 ora no mpiasam-panjakana manana "matricule" na alalana hisahana marary 100 dia ahoana no tsy ho tara? Hoy ianao hoe be dia be no manao fanamiana fotsy sy manga (mpianatra miza-draharaha ny 90%) ka mety mijerijery anao no ataony satria mbola tsy afaka manao asa mandeha irery. Mila ampiana 10 isaky ny 24 ora ny mpitsabo mpanampy, mpiasam-panjakana amin'ny "urgence". Efa 1ora no tokony hifindra efitra nefa eto foana? Satria ny zava-misy dia "brancardier" na mpibata olona miisa 4 no mitatitra marary hanao "radio" na fitiliana, hiditra "bloc" na toeram-pandidiana, mampiditra marary vao tonga, maka rà any amin'ny "banque de sang" na fitehirizan-dra, manosika marary miakatra amin'ny "rampe" na tohatra fitondrana mirary misy rihana miisa 4 satria tsy mandeha ny "ascenseur" na ny fiakarana, ahoana no tsy ho reraka? Mbola miasa an-tsitra-po koa ny sasany amin'izy ireo. Asio tolotr'asa, omena karama sahaza fa tsy karama varimasaka! Atao mandeha ny "ascenseur" fa mafy manosika marary miakatra rihana miisa 4 io. Reraka izy ireo ka miteraka fahasorenana. Masiaka be ilay mpamafa trano, misy amin'izy ireny milatsaka an-tsitra-po. Misy "pression" na teritery koa mahazo azy. Raha maloto ny trano dia andraikiny. Izy anefa manadio trano mbola mando. Avy any ianao mandalo tsy misalasala manitsaka ilay trano mando. Olona tsy indray na in-droa. Raha ianao no eo amin'ny toerany manao ahoana? Mila manaja ny hafa na dia mpamafa trano heverin'ny olona fa tsy misy hajany nefa miantoka fahadiovana. Vatsiana fitaovam-panadiovana maoderina ihany koa mba hanafaingana ny asany. Marary miditra ao amin'ny "urgence" matetika manahirana mila fitarafana isan-karazany. Mitaraina ilay mpitondra marary fa elabe no tokony hanao "radio" fa mbola tsy misy mpitondra na milahatra be any amin'ny "imagerie" na fitarana na laboratoara, tsy mandeha ny "scanner" na fitarafana ao amin'ny HJRA ka sahirana mandeha klinika tsy miankina. Vokany, heverin'ny olona fa tsy miraharaha marary ilay Dokotera. Misy aza nitory Dokotera satria tokony nanao tsipaipaika hono ny Dokotera hanaovana "scanner". Tokony asiana "scanner", "radiographie", laboratoara ho an'ny "service des urgences" na sampana mpamonjy voina manokana. Tsy mandray ny tsy ao amin'ny "urgence" (Atao akaikin'ny "urgence" mihitsy mba tsy sahirana ny tambanivolo mitady hoe aiza no atao ireto "analyse" ireto). ny sarany atao mirary, atsasany na ampahefatry ny vidiny mahazatra. Ohatra hoe "scanner" atao 100.000 Ariary ao amin'ny "urgence" raha tokony ho 200.000 Ariary mba ahafahana manao "entretien" na mikojakoja tsara sy hampandrosoana ny hopitaly ireo vola azo (fandriana, loko, fitaovana, "oxygène" na fanampin-drivotra) sady ahafahana mitsinjo ireo tsy manana mihitsy fa tsy hoe Dokotera no hiantoka fanafody hoan'ny marary, hoy hatrany ny vahaolana sy fitarainan'ity mpitsabo ity.
Nangonin'i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-mai-2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika eny amin’ny

Card image cap
21-mai-2026

fikaonandoha fa tsy hoe olona avy any an-dapa»

Card image cap