aza hoe ho raikitra ihany sa tsia ity fikaonandoham-pirenena ity? Tsy mazava hatreto ny drafitra. Taorian’ny fihaonan’ireo 3 tonta, nahitàna ny minisitra misahana ny fanavaozana, ny praiminisitra, ny filoha mpiara-mitantana ny fanavaozana, ny FFKM, 1 volana lasa mahery teo izay, sy taorian’ny fivoahan’ny tetiandro navoakan’izay Fiombonan’ny fiangonana Kristianina eto Madagasikara izany, izay nambara ho fizotran’ity fikaonandoham-pirenena ity, dia azo lazaina ho naman’ny nangiana tanteraka ny resaka mikasika azy io eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara. Hanatontosa azy io nefa no heverina fa fototra nanomezana fahefàna ny fitondràna ankehitriny. Mainka moa fa nirongatra tato ho ato ity tsy fandriampahalemana nateraky ny resaka fangalaran’olona ity dia tonga amin’ilay hiran’ny mpanakanto izay hoe «Efa dilan’ny ela sy ny ela». Takona tanteraka sy tsy nisy mpiresaka, hoy ny fomba fiteny. Nandeha ireo karazam-panadinam-panjakàna samihafa teto amin’ny firenena. Vita ny CEPE sy BEPC. Nanomboka omaly ny Bakalorea. Ny hita aloha dia mifantoka amin’ny fianaran-janany ireo ray aman-dreny mbola manana fahafahana mampiana-janaka fa tsy hifantoka velively amin’izany fikaonandoha izany. Ho avy tsy ho ela ihany koa ny fidiran’ny mpianatra ka rahoviana ihany ary izany no hanaovana an’ity hoe fikaonandoham-pirenena ity sa efa azo lazaina hoe fanombohana azy itony karazana fihaonana isan-tsehatra eny an-tsefantsefany eny itony? Nandalo teo ny hoe fikaonandohan’ny tanora fa nahasehaka ny tanora manerana ny nosy ve? Toy izany koa ny fikaonandoha Kristianina, fikaonandohan’ny mpitsara, fihaonamben’ny sendikà sy ny tsy hay intsony rehetra. Tena ho atao matotra amin’izay ve izy ity sa tsaingotsaingoana toy ny taloha tsy nahitàm-bokany afa-tsy fahantrana lalina rehetra hatramin’izay ihany? Iza ihany no tena hikarakàra sy hitarika azy? Efa ho 10 volana aty aorian’ny nitsangànan’ilay rafitra antsoina hoe fanavaozana isika miresaka io. Na ny fanentanana sy fampahafantarana isam-pokontany aza tsy hita hoe aiza?
J. Mirija
Nifarana ny fitsidihana ofisialy