airtel

Politique

09-mars-2026

Fikasana hanongam-panjakana

Sarona ny fitaovam-piadiana mahery vaika maro be...

Sample post image

Sarona ny fitaovam-piadiana mahery

09-mars-2026

vaika voalaza fa saika hikotrehana fanakorontanana sy fananganam-panjakana. Nisy ny ranty nataon'i Patrick Raharimanana mikasika an'io ny sabotsy 07 Marsa 2026 teo, nampiseho ireo fitaovana mampihoron-koditra sy fiara maro voalaza fa nosesefana azy ireo, hany ka saika nikolepaka ny ankamaroan'ny kodiaran'ireo fiara. "Maraina ny andro, mitohy ny fikarohana ireo basy sy fitaovam-piadiana mahery vaika, amina kaontenera miparitaka. Tsy hoe vaky kodiarana akory ireto fiara, nametahana "fausse plaque verte", fa mavesatra feno zavatra ao anatiny. Mankahery anareo namana, mamongotra hatramin'ny fakany ireo forongony, mihevitra fa tantely afa-drakotra ity Firenena ity, ka kolikoly sy ameno paosy no masaka an-tsaina.", hoy hatrany i Patrick Raharimanana. Fusil à pompe karazany antsoina hoe shotgun, Pistolet (9 mm), Carabine / rifle, Boîte cartouche calibre 12 sy 9 mm,... maro ireto tratra ireto raha ny tatitra tsotsotra. Karazana fitaovam-piadiana mahery vaika vita Eoropeanina sy Amerikanina, raha ny fikarohana tsotsotra nataon'ny mpizara vaovao. Tsy nisy ny filazana mazava mikasika ny toerana nahatrarana ireo fitaovana mampihoron-koditra ireo, saingy misy ny loharanom-baovao tsy ofisialy milaza fa toeram-panatobiana iray na "hangar" an'i Mamy Ravatomanga izy io. Andrasana anefa ny fanampim-baovao ofisialy manamarina na mandiso izany. Ity farany izay niteraka resabe sy ahiahy hatry ny ela ho namorona toerana sy nanangon'olona miofana sy afaka nampiasa fitaovam-piadiana fony mbola tsy nirodana ny Fitondrana Rajoelina, ka betsaka no nanasokajy azy ho nanao "activité para-militaire" na nanangana milisy. Tsy vaovao amin'ny resaka fampidirana fitaovam-piadiana mahery vaika ihany koa raha ny Fanjakana teo aloha satria raha tsiahivina dia efa nisy izany talohan'ny fifidianana Filoham-pirenena 2018, izay voalaza fa nikendrena hakana fahefana amin-kery raha tsy i Andry Rajoelina no laniana amboletes ho Filoha, hany ka mbola tsy teo amin'ny toerana dia efa afaka nampiditra fitaovana mahery vaika.
NISY NAMOAKA NY LOHARANOM-BAOVAO ?
Tsiahivina fa efa kaonsilà ana Firenena vahiny roa i Mamy Ravatomanga. Raha azy tokoa ireto, nohararaotina ve ny sata diplaomatika ka nametahana ireo fiara takelaka maitso maro be? Misy Firenena vahiny nitsikombakomba tamin'io afera io ve sa nosandohana ny anaran'ilay Firenena? Matoa nivoaka ny loharanom-baovao nahatrarana ny afera tahaka itony dia misy avy tao anatiny mety isan'ny nokaramaina hanao iraka na "mission" no nanome loharanom-baovao, mety matahotra ny ainy, mety tsy nahazo ny volany, mety tonga saina tamin'ny ora farany,... Ny zavatra mety mitranga ihany koa dia voafehy ny famatsiam-bola entina hanakorontana noho ny fanagiazana nataon'ny Fanjakana ka mety ny olona nampiasaina ihany no mibaradaka satria tsy misy vola mivoaka. Tsy vao izao ihany koa no nisy raharaha na vaovao mikasika fikasana hanakorontana Firenena sy hanongam-panjakana tato anatin'izay 5 volana nirodan'ny Fanjakana mafia izay. Betsaka ihany koa moa andaniny no miezaka mivoy fa fanodinkinan-dresaka na "diversion" io resaka fitaovam-piadiana io manoloana ireo lazaina fa toe-draharaha politika mafampana. Na izany na tsy izany, tsy azo hamaivanina io, iankinan'ny filaminana anatiny sy fiandrianam-pirenena,... Andrasana kosa ny tohiny sy ny tatitra ofisialy mazava sy anatin'ny fangaraharana mba tsy hametraka ahiahy tokoa hoe: sao fanodinkodinana saim-bahoaka toy ny fanaon'ny Fitondrana teo aloha.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap