airtel

Politique

31-janv-2024

Filàna fanovana fitsipi-dalaon’ny demokrasia

“Ireo mbola te hiaina “médiocratie” ihany no tsy nahatsapa izany”

Sample post image

Iverenanay kely ny mikasika ny fifidianana natao teto amin’ny firenena farany teo satria tratra ny tanjona,

31-janv-2024

hoy ny antoko politika Teza. Tsy mety ny fitsipi-dalao mikasika ny demokrasia eto Madagasikara ka tokony hovana mba hifototra amin’ny demokrasia eto Madagasikara, hoy ny filohan’izy ireo, Jean Louis Rakotoamboa. Niezaka ireo kandida miisa 11 nampiseho sy nanaboridana izany tsy fihetezana izany. Nazava tamin’ny olona ilay izy dia vokany, 20% tany ho any no olona tonga nifidy. Raha tia an’ingahy Andry Rajoelina ireo 80% ireo dia tonga nifidy daholo. Tsy tia azy ireo ary manaiky fa mila amboarina ilay fitsipi-dalao mikasika ny demokrasia. Ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena dia nahatsapa koa izay filàna fanamboarana izay. Ireo mbola te hiaina amin’ny antsoina hoe “médiocratie” na tsy fanjariana dia ny IRD sy ny forongony ihany no tsy nahatsapa izany. Tamin’ireo 20% nifidy dia 15% ihany no tena nifidy an’ingahy Andry Rajoelina. Ny 85% izany olona tsy tia azy nefa entiny amin’izao fotoana izao amin’ilay fitsipi-dalao tsy mety hoe na 1 na 10% aza mandray anjara amin’ny fifidianana dia izay lany amin’ny fifidianana natao ihany no mitondra ny firenena. Maloto ilay fitsipi-dalao. Tsy manaiky io fitondrana io na inona antso nataon’ny fianakaviambe iraisampirenena sy ny vahoaka tsy nifidy azy dia tsy ekeny fa hoe io no mety aminy. Raisintsika fotsiny ny lalàmpanorenana. Ny filoham-pirenena ao no filoha fara-tampon’ny foloalindahy. Filoha fara-tampon’ny fitsarana na “magistrature”. Filoha fara-tampon’ny rafitra mpanara-maso ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny fitantanana ara-bola. Raha hangalatra volam-panjakana izany izy dia izy ihany no manao ny fanadihadiana. Filoha fara-tampon’ny parlemanta izy raha manana maro an’isa ao amin’ny antenimieram-pirenena. Manao lalàna ny antenimieram-pirenena. Izay lalàna tian’ny mpanatanteraka atao dia laniana ao. Manao tatitra amin’ny vahoaka ny antenimieram-pirenena. Tsy avela nefa ny sasany. Afaka manao fanadihadiana parlemantera izy. Tsy afaka izy rehefa miteny ny filoham-pirenena hoe aza atao fanadihadiana ilay volamena 73,5kg lasa any Afrika atsimo na ilay nivadika vy na ireny andramena vao lasa any ivelany vao aingana ireny! Afaka mitoroka ireo mpitondra ambony manao adalana ny antenimieram-pirenena fa nisy ireny ny raharaha “ecran plat”, “bonbon sucette”, kolikoly nitranga teny anivon’ny minisiteran’ny fitsarana fa tsy nisy ny fitorohana na hoe “mise en accusation”. Izay fotsiny izao dia antony tokony hanovana lalàmpanorenana satria manjaka araka izay tiany atao ny Mafia eto amin’ity firenena ity. Tsy maintsy miroso amin’io fanovana fitsipi-dalaon’ny demokrasia io isika rehetra fa raha tsy izany dia bolokim-bazaha, ekipana mafia no hitondra eto. 43 tapitrisa Dolara no lanina antoko iray tamin’ny fifidianana teo aloha teo. Famatsiana tsy mazava izany. Iza no antoko manana an’izany eto? Na ny any ivelany manana tombontsoa eto no mamatsy olona iray hiaro ny tombontsoany na mangarona kitapom-bolam-panjakana izy na orinasa iray goavana manana tombontsoa arovana eto no manome 5 tapitrisa Dolara dia izy no lany. Ny olo-marina tena afaka hitondra tsy afaka hilatsaka satria tsy manam-bola. Ny lasa safidy izany dia hoe na olona manaiky bolokim-bazaha na olona tohanana mafia manana famatsiana tsy mazava fa ny olona tena azo itokisana, tsy afaka hitondra satria tsy manam-bola, hoy hatrany ny antoko Teza.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Tsy nisy fitsabatsabahana nataon’ny vondrona eoropeanina loatra tamin’ny zava-nisy

Card image cap
17-mai-2024

Anisan’ireo nampanantenain’ny filoham-pirenena fa hananganana kianja manara-penitra ny ao Ankazobe.

Card image cap
17-mai-2024

Nivadika tanteraka ny rasa ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana.

Card image cap
17-mai-2024

Efa manao izay tiany atao ny mpitondra fanjakana, hoy ny mpamakafaka, mpanao politika,

Card image cap
17-mai-2024

Niaiky hatrany ny Filoha Andry Rajoelina fa tena marary isika amin’ny lafiny angovo,

Card image cap
16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap