airtel

Politique

19-oct-2022

Politique

Filohan’ny Antenimieram-pirenena “Firenena anaty krizy no ilàna fikaonandoha”

Sample post image

Tahaka ireo olon’ny fitondrana maro, nilaza ihany koa ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa, fa tsy firenena anaty krizy isika ka tsy ilaina ny fikaonandoham-pirenena.

19-oct-2022

Firenena mandalo krizy amin’ny fitantanana sy mandalo krizy no mila fikaonandoham-pirenena hijerena ny marimaritra iraisana. Tsy izany anefa no misy eto, hoy izy. Ekena fa misy ny tsy fitovian-kevitra miteraka lonilony kanefa aminy dia efa akaiky ny fifidianana, ka ny fiomanana amin’izany no tokony hatao. Tena mbola sahy miteny hatrany ny olon’ny fitondrana fa tsy misy krizy eto! Fomba fanao ny fifanatonana eo amin’ny mpitondra sy ny mpitarika ny fanoherana. Manoloana ny lonilony, misy alahelo eo amin’ny firehana. Hitazam-potsiny ve ny solombavambahoaka manoloana ny lonilony misy eo amin’ny mpanao politika, fahefana mpanatanteraka, sy ny mmpitarika ary ny mpitondra, manoloana ny hetahetam-bahoaka, hoy izy tetsy ankilany. Nanome toky ny Filoha am-perinasa, ary nampahery azy Rtoa Christine Razanamahasoa. “Mbola eto izahay hanohana ny ezaka ataonao. Mahatokisa ary mirary soa anao, hahatafita ny fanolorana ny PEM”, hoy ity Filohana andrim-panjakana sady mpikatroka IRD mafana fo ity. Nandrisika ny Vaomiera misahana ny fifidianana (CENI) hiroso hatrany amin’ny ataony moa ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena. Nilaza fa fepetra takiana ny fametrahana ny fitoniana ny fifidianana. “Tokony hatsahatra ny fihantsiana rehetra sy ny fivoizana hevitra mifanohitra amin’izany. Ny lalàna manan-kery no mibaiko ny CENI amin’ny fanavaozana ny lisi-pifidianana araka ny lalàna2018-008 mifehy ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka. Misy ny lalàna mamaritra ny fanavaozana isan-taona, ka inona intsony no iadian-kevitra raha mbola firenena tan-dalàna isika? Singa iray lehibe ho fandavorariana ny fifidianana ny fanaovazana ny lisitra, fanomezana karapanondro sy sora-piankohonana ka tsy tokony handray vilana handotoana ny saim-bahoaka”, hoy Rtoa Christine Razanamahasoa. Namporisika ny CENI hanefa ny asany, ary niantso an’ireo hanohy ny diany, na iaraha-mahalala aza ny tsy fahatokisana miseho amin’ny endriny maro mialohan’ny fifidianana, ka isan’izany ny lisi-pifidianana.

Toky R

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap