airtel

Politique

23-févr-2024

Filohan’ny ARFM

Nosamborin’ny Fanjakana !

Sample post image

Nanao fanambarana nanoloana ny kianjaben’ny Mahamasina omaly maraina tamin’ny 10 ora ny filohan’ny Raiamandreny ara-drazana sy ny fomba malagasy na ARFM,

23-févr-2024

Noel Rakotondrasoa, fa hisy famerenan-kasina ny tanindrazana izay ho tontosaina eo amin’ity kianja ity ny sabotsy izao. Fandiovana sy famerenan-kasina ny vahoaka, hoy izy, hahatsangana, hahary mba hiadam-pinaritra amin’ny taniny. Tsy fanompoan-tsampy akory no ho atao. Fomba fanao efa tamin’ny 128 taona lasa izany saingy izao indray vao ho averintsika. Tonga ankehitriny ny fotoana hamerenantsika ny maha malagasy antsika, hamerenana ny firenentsika amin’ny laoniny. Hamerenana ny hasin’ny tanindrazana sy vahoaka, indrindra, ny fanajana ny zo aman-kasina maha olona sy hasin’ny aina. Hamaranana ny ratsy rehetra, ny fady, ny tsiny amam-pondro io fotoana io ary hamaranana ny ozona rehetra mipetraka eto amin’ny tany ity. Amin’ny 10 hatramin’ny 12 ora ihany no fanaovana izay fombafomba malagasy izay. Hisy ny boky volamena ho apetraka ho marika fa hanokatra boky vaovao ho an’ny firenena isika. Hisy ny rakitra antsoina hoe «Rakitra sandratra hasina» ho an’ny ankizy sy tanora ary raiamandreny. Hisy ny diabe mankeny amin’ny tsangambato Ralaimongo avy eo ary any «an-tany nomena» na Antanimena no misaraka. Maniry ny fiaraha-misalahin’ny foloalindahy amin’ny fitandroana ny filaminana amin’io andro io izahay satria raharaham-panjakana no atao. Maniry ny fahatongavan’ireo manam-pahefana rehetra eto amin’ny firenena koa, araka izany. Hasaina manokana ny minisiteran’ny kolontsaina satria hetsika ara-kolontsaina no hatao. Angatahana manokana koa ny fandraisan’andraikiny. Asaina manokana Imerina 6 toko sy ny vohitra 15 satria mbola misy koa an’Ambohimanambola, Ambohitrandriananahary, Ambohidrapeto. Isika no tompon’ny fanasana ka tokony haneho firaisankina. Asaina koa ireo malagasy any Dilambato. Efa nalefa ny taratasy fanajana hasina ny ambaratongam-pitantanana rehetra satria tsy fomban’ny raiamandreny ny mangataka, hoy hatrany ny tenany. Minitra vitsy taorian’ny fahavitan’ity fanambarana ity moa dia nosamborin’ny zandary efa nihaodihaody teny an-toerana ihany ity filohan’ny ARFM ity. Andrasana indray ny mety ho tohiny.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap