izay nampiteraka adihevitra hoe : ahoana ny tsy fitanilan’ny CENI ao anatin’izany ? Isan’ny nilaza sy nanaparitaka an’io Rtoa Fanirisoa Ernaivo. Nitondra valin-kafatra avy hatrany ny Minisitra Gisèle Ranampy. « Mme Fanirisoa Ernaivo, tsy mba mpamaly « commentaire » na « publication »-nao hatramin’izay nniainako aho, fa amin’ity kosa dia asehoy eto amin’ity tambazotra ity, fa any Farafangana izany olona resahinao izany na ny tenako izaho ity. Aza zatra miaina amin’ny lainga sy ny fahamanana laina fa mipetraha amin’ny toerana raha mihevitra ny tenanao olom-banona sy manam-panahy sy manam-pahaizana ianao, aza zarina amin’nyy photoshop ihany koa ny vahoaka fa mampalahelo. Eto Antananarivo soa aman-tsara ny tenako sy izany olona resahinao izany… », hoy izy. Voalaza tao anatin’ny antso fanentanana na “annonce” momba an’io hetsika io tokoa ny anaran’ny minisitra mivady, ny vadiny izay Atoa Dama Andrianarisedo Filohan’ny CENI. Kongresin’ny TGV ho an’ireo Distrika 5 ao anatin’ny Faritra Atsimo Atsinanana, izay teo ambany fiahian’ny Birao nasionaly TGV tarihin-dRtoa Christine Razanamahasoa, ary voatonona tao ny hoe: “….Atrehin’Andriamatoa sy Ramatoa Dama Ranampy Marie Gisèle”Minisitry ny asam-panjakana, mpiahy ny faritra Atsimo Atsinanana,…”. Raha raisina amin’io filazana io, dia ny Minisitra mivady tokoa aloha izany no voaresaka. “Nilaza ramatoa ministre Ranampy Gisele fa tsy any Farafangana ny vadiny Filohan’ny CENI, ka dia asaintsika an-tanandroa izy hitory ny mpikarakara ny Kongresin’ny TGV any fa mpanely tsaho sy mpanakorontana saim-bahoaka amin’ny vaovao tsy marina satria ry zareo no nilaza sy nandefa tamin’ny haino aman-jery fa hanatrika izany Kongresin’ny TGV izany Ramatoa sy Andriamatoa DAMA Ranampy Marie Gisèle”, hoy ny andaniny. Taiza ny fahadisoana? Iza no nanao tsirambina? Tsy nierana ve ny fampidirana ny anaran’izy ireo sa nandeha ny kiana samihafa vao nihemotra? Matetika ny Filohan’ny CENI Atoa Dama Andrianarisedo fa ny lalàna tsy ananan-kavana, saingy tsy mahasakana ny olona tsy hitsikera, indrindra fa ireo avy amin’ny mpanohitra ny maha vadina minisitra ao anatin’ny Fanjakana Rajoelina azy. Mainka fa nipoitra ihany koa itony zavatra itony.
Toky R
Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana
Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay
Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,
Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,
Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,
Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.