airtel

Politique

16-mai-2022

Politique

Fiomanana amin’ny fifidianana Manao “Mada raid” ny AREMA

Sample post image

Manomboka mihetsiketsika ny etamazaoro politika volana vitsivitsy mialoha ny taom-pifidianana eto Madagasikara.

16-mai-2022

Ho an’ny Antoko Revolisionera Malagasy na AREMA dia mitohy ny “Mada raid” na fitetezam-paritra tontosain'ity Antoko naorin’ny Amiraly Didier Ratsiraka ity. Tao Toliara ny birao politika notarihin’ny Sekretera nasionaly Annick Ratsiraka ny faran’ny herinandro teo, nihaona tamin'ireo mpikambana AREMA any an-toerana. Nanentana sy nampiomana ireo mpikambana ny birao politika hiomana amin’ny fifidianana ho avy. Nisy araka izany ny fananganana ny rafitry ny Antoko ao an-toerana. Nohamafisin-dRtoa Annick Ratsiraka indray fa handray anjara amin'ny fididianana rehetra ho avy eto Madagasikara ny Antoko AREMA, manomboka eny amin'ny Fokontany, Kaominina, Faritra ka hatrany amin’ny fifidianana filoham-pirenena.
Jean D.
 

 

Dans la même rubrique

18-juin-2026

amin’ny ara-dalàna no tokony hapetraka!»

Card image cap
18-juin-2026

Raha somary nangingina ilay raharaha

Card image cap
18-juin-2026

Mahay miasa aho ! », hoy ny Filohan’ny

Card image cap