airtel

Politique

10-nov-2025

FITANTANANA NY FIRENENA

Hentitra ny fanjakana, tapitra hatreo

Sample post image

ny fanapahan-kevitra taitaitra

10-nov-2025

Hatreo ny fanapahan-kevitra taitaitra, raha fehezina ny votoatin'ny fanazavana nomen'ny filoham-panjakana amin'izao fotoana izao mikasika ny fiatrehana sy famahana ireo olana misy eto amin'ny firenena ankehitriny. Sarinteny tena tafahoatra na hoe "figure exagéré" mihitsy moa no noraisiny nentina nilazana fa anatina toe-draharaha feno faharefoana tanteraka ny firenena amin'izao fotoana izao. Toy ny mamindra ambony atody mihitsy, hoy ny filazany azy izay. Raha heverina ara-bakiteny izany dia samy mahafantatra ny rehetra hoe tsy azo atao izany ny manitsaka an'ireo atody ireo mba tsy hahavaky izany ka tsy hitondrany soa ho an'ny fiarahamonina intsony. Azontsika sary an-tsaina fa mba hitandremana tsy hisian'ny fahapotehana dia mila mihazona tady avy eny ambony, ohatra, na manidina mihitsy, raha afaka manao an'izay izany hoe tsy maintsy mandeha ambony atody izany, raha tsy te hamotika ireo atody ireo. Izay no hamerenana hatrany hoe hatreo ny fanapahan-kevitra taitaitra fa mila fandinihana sy fisainana lalina ny atao rehetra rehefa hanapa-kevitra momba ity firenena ity manomboka eto. Tonga amin'ilay oha-pitenenana izay io hoe "Ny ratsy atao loza miantona, ny soa atao ilevenam-bola!". Tsy azo disoina ny fandray azy satria dia betsaka tamin'ireo heverina fa tsimatimanota teto amin'ity firenena ity izao no mety nihevitra fa nanao soa izy ireo matoa nahazo volabe, ny sasany amina miliara Dolara mihitsy, ka tsy hisy loza hanjo azy ireo intsony. Tsy izay anefa no tian'ny Ntaolo nahatongavana fa tsotra be mihitsy hoe tsy maintsy hivaly aminao izay nataonao. Karma no anarany any Inde. "Retour du manivelle", hoy ny frantsay. Tody kosa, hoy isika malagasy. Mba tsy ho sanatria, araka izany, ifoteran'ireo vahoaka heverina hoe "nitolona" farany teo ny fitondrana ankehitriny dia inoana sy antenaina fa isan'ny efa ezaka ireny fitsorana dien'izao ireny fa anatin'ny faharefoana tanteraka ny firenena io ka tsy maintsy am-pisainana tanteraka no tokony handraisana ny fanapahan-kevitra rehetra. Isan'izany ny fanapahan-kevitra mikasika ny herinaratra sy rano na ny olana manjo ny fampianarana sy ny resaka vidim-piainana amin'izao fotoana izao. Natao am-pieritreretana tsara mba tena ho tombotsoan’ny rehetra fa tsy hoe maimaika handroso vahaolana tip top fotsiny tahaka ilay fitondrana teo aloha. Tsy mora ny asa atrehina kanefa vonona tena hanova sy hanatsara tokoa.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

04-déc-2025

Maro no miha resy lahatra ankehitriny

Card image cap
04-déc-2025

Iray volana latsaka taorian’ny fanendrena

Card image cap
04-déc-2025

Voatendry ho mpanolo-tsaina maharitry

Card image cap
04-déc-2025

aloha noho ny fifidianana tsy azo antoka…

Card image cap