airtel

Politique

07-oct-2022

Politique

Fitantanana ny firenena Ilaina ny fotodrafitrasa, fa ahoana ny fari-piainan’ny vahoaka ?

Sample post image

Anisan’ny imatimatesan’ny fitondrana amin’izao fotoana, eny efa hatramin’ny nitantanan’i andry Rajoelina ny tetezamita (2009-2014) ny fananganana fotodrafitrasa etsy sy eroa izay nantsoina hoe manarapenitra : kianja, sekoly,

07-oct-2022

toeram-pitsaboana, biraom-panjakana, toeram-pilanonana sy fialamboly, toerana fitsangatsanganana. Tsy misy maharatsy ny fanorenana sy fananganana mihitsy, fa ny mahatonga ny adihevitra tsy mety vita dia ny hoe : ny trano mijoro mirentirenty, fa ny olona, ny vahoaka miha mahantra ary ny manahirana rehefa avy eo dia tsy voakojakoja, tsy voakarakara araka ny tokony ho izy ireo trano najoro.Ny loza aza dia misy ireo tsy manara-penitra mihitsy fa mitriatra sy ahitana simba na dia mbola tsy notokanana akory aza. Noho ilay izy manenjik’isa ve ka lasa asa maimaika sa nandeha ny resaka kolikoly sy ilay mametraka kely ka kitoatoa ny zava-bita. Tahaka ny ao Toamasina izao dia hita ho tsara sy manjelanjelatra tokoa ilay tetikasa MIAMI, fa hanao ahoana ny fikarakarana an’io rehefa avy eo, ahoana ny fandaminana ho an’ny olona hiditra ao.Ahoana ny vola aloa satria mazava ho azy tsy maintsy hisy ampahany misy sarany io fa tsy hoe atao maimaimpoana indray dia avy eo lazaina fa tsy misy vola natokana ho amin’ny fikojakojana sy ny fikarakarana tahaka ny mitranga amin’ireo lalana rehetra eto Madagasikara. Fa ankoatr’izay tena mila jerena akaiky ihany koa ny hanatsarana ny fari-piainan’ny olombelona, ny vahoaka, ny mponina fa tsy ho tambatambazana sy hanaovana fanapena-maso amina fotodrafitrasana manjelanjelatra be fotsiny. Na hikarakarana fampisehoana isaky ny faran’ny herinandro dia mifalifaly sy mamomamo eo dia hoe hanadino ilay fahasahiranana efa any an-tsosokoditra ve.Ilaina ny trano fa mila karakaraina ihany koa ny olombelona.raha mahita famatsiam-bola hanamboaraka kianja filanonana sy filalaovana, dia inona moa no tsy ahitana loharanom-bola sy mpamiasa vola hanangana orinasa, hanome asa ny olona sy mametraka fanampiana ara-tsosialy ho an’ireo tena marefo ?
RTT
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap