airtel

Politique

18-janv-2024

Fitantanana tsy mahomby, mpitondra malaza ratsy

Ny fihariana anatiny krizy, ny mpampiasa vola mihemotra…

Sample post image

Nitsangana iny ny governemanta, saika nikatona omaly avokoa ny fifamindram-pahefana,

18-janv-2024

ary naneho an-tserasera sy tamin’ny firesaka sy fiteny ny rehetra fa dia tena hiezaka hitondra fampandrosoana. Betsaka ny fampanantenana nataon’ny Filoha ankehitriny, izay lany tao anatin’ny fifidianana narahin-dromoromo. Ratsy ny vokatra tao anatin’ny 5 taona, tsy tena nanana fandaharan’asa mazava sy matotra, fa nirona kokoa tamin’ny « marketing politique » ka ny fandokafan-tena sy filalaovana serasera no tena betsaka, ary arakaraka ny tranga niseho teto amin’ny firenena no nilalaovana azy. Miteny ho azy ny tatitra navoakan’ny firaisamonim-pirenena roa izay namoaka tao anatin’ny fanadihadiany ny tany amin’ny 3 volana voalohan’ny taona 2022 fa 11,54% tamin’ny fampanantenan’i Andry Rajoelina no tanteraka. Niaraha-nahita ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika sy ara-pitantanana, ka porofo nivaingana ny fikitikitihana governemanta in-dimy teo tao anatin’ny 5 taona izay nandiso tanteraka ilay filazana fa efa niomana tao anatin’ny efatra taona. Tafaverina amin’ny fitondrana indray amin’izao fotoana izao, dia mandeha ny serasera sy fihetsiketsehana amin’ny endriny maro. Henjana anefa ny manadio ny fahalotoana hatramin’izay, tsy mora ny manarina ny tsy fahamarinan-toerana tao anatin’ny fifidianana feno romoromo,… Tsy vitan’ny serasera ivelany fa hiasa sy hiady amin’ny kolikoly kanefa ilay any amin’ny farantampony aza ampangain’ny herivelona politika samihafa ho lany tamin’ny kolikolim-pifidianana.

TSY MARIN-TOERANA, TSY AZO ITOKISANA, MIHEMOTRA NY MPAMPIASA VOLA
Tsy vitan’ny mpitondra irery ny fanarenana sy fampandrosoana ny firenena fa mila tontolo politika milamina, tontolo ara-diplaomatika mirindra, toekarena sy fihariana marin-toerana, fitantanana madio sy azo itokisana,…Manana adidy goavana ny mpitondra amin’ny fametrahana fahamarinan-toerana ara-politika, toekarena, sosialy eto amin’ny firenena, fa tsy vitan’ny miedinedina hoe : azonay ny fahefana dia izay. Mila hatsaraina ny fahalalahana sy fitoniana ara-pihariana, mila fitoniana ny fampiasam-bola, mila antoka ny mpampiasa vola,.. Tsy vitan’ny fakana sy fibodoana fahefana, fa isan’ny jeren’ny fahamarinan-toerana politika, ny demokrasia, ny fotodrafitrasa toy ny làlana, ny angovo sy herinaratra mampikolay sy mamotika orinasa maro, ny kolikoly mampiteny ny moana,… izay isan’ny tena tsy mampisy ny mpamatsy vola vahiny mivantana na IDE (Investissements Directs Etrangers). Misy ireo orinasa sasany nanambana hangoron’entana noho ny fitakiam-bola mihoampampana (redressement fiscal), misy ny banky re siosio fa mety hiala eto noho ny tsy fahamarinan-toerana politika, misy ny mitaraina toy ny Vondron’ny orinasa afak’haba izay voalaza fa tsy nalohan’ny Fanjakana ny volany 71 miliara Ar eo,… Ireny niaraha-nahita ireny hoe : tompon’andraikitra ambony faran’izay akaiky ny Filoham-pirenena no voasambotra amin’ny kolikoly avo lenta, mitaky vola tsy toko tsy forohana amin’ny orinasa lehibe te hampiasa vola eto. Taiza tamin’ny tantara no mbola nisy volamena 50kg latsaka kely nanjavona tany anaty biraom-panjakana raha tsy tamin’ity fitondrana ity ? Taratry ny firenena ireny, taratry ny fitondrana, taratry ny « climat des affaires » eto. Tsy vitan’ny mampanonofy sy kabary ambony latabatra na fianianana mipoapoaka fa tena mila asa, finiavana, fahintsiana, programan’asa matotra, fanatanterahana mahomby, fitsinjovana sy fampivoarana ny asa fihariana,...
Toky R
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap
14-mai-2024

Matoa isika mangataka ny manoloana azy, dia noho ny fitsabatsabahany

Card image cap
14-mai-2024

Manana ny fenitra arahina ny diplaomasia iraisam-pirenena, misy fifanarahana soniavina sy arahina

Card image cap
14-mai-2024

Vanim-potoana nalaza tamin’ny tantaram-pirenena izany 13 may 1972 izany,

Card image cap
14-mai-2024

Nentina am-bavaka sy notsofina rano teny amin’ny EKAR Anosisoa Ambohimanarina ny alahady teo mba hahaleo

Card image cap