eto amin’ny tany sy ny Fanjakana. Mbola mitana ny sain’ny maro ny dosie fikasana hamono filoham-panjakana sy ny fikasana hanakorontana Firenena, izay toa lasa mibahan-toerana sy resabe. Tsy azo hamavainana io amin’ny lafiny iray satria tena misy tokoa ny tsy maty voalavo an-kibo, ka mikotrika sy miketrika izay haminganana ny Fanjakana ankehitriny. Na izany aza: sao variana amin'ny adin'akoholahy ka adino ny adin'ombalahy? Iny efa misy miandraikitra azy dia ny mpanao famotorana sy ny Fitsarana fa ny fanamby lehibe dia ilay fanovana sy ny fanavaozana toa mitady hatoritory? Mizotra araka ny tokony ho izy sy araka ny niheveren'ny Malagasy azy ve ilay fanavaozana ? "Tsy misy tokony hahagaga hoe maninona no manomboka miteny ny olona, mandinika ny zava-misy ianao de valalanina, ny tolona sy ny fijoroana dia lasa "tremplin" na tohatra fiakarana ho an'ny sasany fotsiny, hoy i Alain Rabetrano mpitarika sendika, mpanamory fiaramanidina, hita tamin'ny tambajotran-tserasera. Mbola nampiany hoe: "Gaga ianao mahita olona tsy nijoro, tsy nitsangana, tsy niteny, mbola tsaroako aza niaro mafy ny mpitondra teo aloha, mizitizity sy milanjalanja orona fa ampazahoana avara-patana. Ny sasany moa tsy nijanona niteny, noho ny tonga teo ankehitriny dia ohatran'ny setroka ilay zavatra notenenina".
MISY NY EZAKA SAINGY MITADY HIBOLISATRA...
Amin’ny lafiny iray, betsaka tokoa ireo vokatra sy asa vita, ary azo lazaina ho nanao fahagagana ny fitondrana ankehitriny raha refesina amin’ny nafitsoky ny teo aloha : fampiakarana 14% ny karaman’ny mpiasam-panjakana izay tsy vitan’ny Fanjakana Rajoelina tao anatin’ny taom-piasana iray manontolo ; fifehezana sy fampihenana ny delestazy ; fandrakofana angovo azo havaozina ny oniversite, fampiakarana ny tambin-karaman'ny mpampianatra, efa mandinika ny mety hampiakarana 20_30% ny vatsim-pianarana… Eny fa na ny sandam-bola aza tsapa sy tsikaritra fa nahazo aina ny Ariary satria raha 5200Ar tany ho any ny septambra 2025, dia 4700Ar aty amin’ny aprily 2026. Nisy politika ara-toekarena azo heverina fa nahomby tao toy ny ady amin’ny ampihimamba sy ny fahalalana ara-toekarena toy ny resaka lavanila sy jirofo ary ireo voly fanondrana samihafa, fanenjanana amin’ny fampodiana vola vahiny,… Zava-dehibe ireny, saingy tsy midika ihany koa fa mety daholo ny atao. Tsapa sy tsikaritra ho somary difotra ihany ny fitondrana, nihena ilay fientanana na « dynamisme » izay tena nafana teo aloha,…Ny Filoha efa nilaza fa mbola tsy niova amin'ny tarigetra napetraka fa moa toa azy daholo ve ny mpitondra rehetra sy ireo manodidina azy sa samy manana ny kajiny sy mandavaka ny tombotsoany na mety manaratsy endrika ny Filoha sy ny Fanjakana aza? Tsy ny avy ato anatiny ihany fa na ny Iraisam-pirenena sy ireo mpiara-miombon'antoka aza manome lamosina sy manao tsindry rehefa hitany fa misy toe-javatra mivaona. Betsaka ireo endrika maneho fa somary mibolisatra ara-politika, ary ny manahirana dia ny mety ho fiverenan’ny fanaovana politika mamohehitra teo aloha noho ny afitsok’ireo mpanao politika matahotra ny ho very seza sy very fihinanana, ka na tokony hipetraka ho arofanina aza, dia zary lasa manipy hoditr’akondro amin’ny fanasohasoana be fahatany. Isan’ny antony nampirodana ny Fanjakana teo aloha ny ekipa mivaona, ny famvaboana Fanjakana na "capture d'Etat" ho an'ny tombotsoa ara-bola sy ara-toekarena ho an'olombitsy, fandaninandaniana ny volam-panjakana be fahatany,… Mbola tsy tara anefa raha izao no manarina, raha toa ka mitady hibolisatra amin'izany.
Toky R