airtel

Politique

15-mai-2024

Fitondrana Rajoelina

Manara-penitra ny fahafaham-baraka

Sample post image

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

15-mai-2024

homologation » ho an’ny kianja Barea Mahamasina. Efa nisy anefa ny serasera nataon’ny Fitondram-panjakana fa vita avokoa ireo fanatsarana toy ny fametrahana ny « tourniquets » fanisana ny mpijery, fametrahana tohatra sy vavahady, fametrahana efitrano fitsaboana sy fitiliana zava-mahadomelina. Ny bozaka tsy mandeha amin'izay laoniny, efitra fisoloana akanjo tery kely, ilay tranga nahafatesana olona maro ny aogositra 2023 no isan’ny teboka lehibe tsy nahazoana fankatoavana. Voatery hatao any ivelany ireo lalao tafiditra amin’ny andro faha-3 sy faha-4 hifandonana amin’i Mali sy Kaomoro amin’ny fifanintsanan’ny « Mondial 2026 », ka ny re dia mety ho any Maroc na Maurice, saingy nisy ihany koa ny vaovao nilaza omaly fa mandeha ny fifampiresahantsika amin’i Afrika Atsimo. Hentitra sy mailo ny CAF satria tsy vao sambany ihany koa no nisy olana tao amin’ity kianjantsika ity, ary efa namono olona maro, raha tsy hilaza afatsy ilay tamin’ny 25 aogositra 2023 izay nahafatesana 12 farafahakeliny, nandritra ny lanonam-panokafana ny lalaon’ny Nosy. Fahafaham-baraka tanteraka ho an’ny fitondrana io satria vola tsy toko tsy forohana 77 tapitrisa dolara na manodidina ny 350 miliara Ar no natontona tamin’io, raha toa ka 80 tapitrisa dolara nahavitana kianja vaovao hafa mihitsy sy tsara noho io any ivelany. Manara-penitra ny fahafaham-baraka fa tsy ny kianja satria nihazakazahana nametraka sy nikitika ireo kianja ho «kianja manara-penitra » tetsy sy teroa, raha tsy hilaza afatsy ny tao Toamasina, Ambatondrazaka, Fianarantsoa,… saingy moa tena mahafeno fepetra handraisana lalao iraisam-pirenena ve ? Ny famiratan’ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara tany amin’ny CAN 2019 no nahatonga ny fitondrana nikitika an’i Mahamasina, ka nampitondraina ny anaran’ny Barea mihitsy saingy ny tsapa sy tsikaritra, dia vao mainka niha nijotso ny ekipam-pirenena rehefa notsabahana tamin’ny politika. Tao anatin’ny fitokanana ny kianja ny septambra 2021 no nisian’ilay rahom-bavan’ny Filoha Rajoelina tamin’ny FMF nolazaina fa nigafy hoe : « Tadidiko ianareo ! Ho hitanareo no hahazo anareo,… ». Nesorina ny mpanazatra Eric Rabesandratana dia naverina i Nicolas Dupuis satria akamakaman’ny fitondrana dia niaraha-nahita ny vokany, fa potika sy nibata faharesena isaky ny nandeha ny Barea. Betsaka ny olana ara-pitantanana, nisy ireo mpilalao malaindaifonosona rehefa antsoina, ary tao aza no nilaza fa haka fisotroan-dronono amin’ny ekipam-pirenena,…
TSY MISY AROFANINA, ZATRA BODONGERONA…
Endriky ny fitantanana firenena ny tahaka izao, ary vao resaka kianja sy baolina kitra aza io, fa saika potiky ny petatoko ny sehatra maro. Manamarika ity fitondrana ity ny tsy fanekena ho diso, tsy fanekena hahitsy, tia bodongerona, hany ka tsy dia misy arofanina intsony, fa tena mihevi-tena ho tsy maty manota mandrakizay. Ny ato anatiny tsy henoina, ny any ivelany tsy raharahiana. Mitsikera ny tsy mety ny Vondrona Eoropeanina, dia angatahana fanoloana ny ambasadaorony. Dia namoaka an’iny ny CAF dia holazaina fa misakana fampandrosoana indray sa voabaikon’ny mpanohitra ? Manatsikafona ny zava-misy koa io ny Fivondronamben’ny Eveka dia holazaina fa iraky ny mpanohitra ? Raha azo natao ny namoaka didy tsy azo ivalozana tamin’ny alalan’ny HCC momba ity resaka kianja ity mety efa natao…
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap