airtel

Politique

05-févr-2024

Fitondrana Rajoelina

Miodinkodina am-pitoerana fotsiny fa tsy mampondroso firenena akory

Sample post image

Tsaroana etoana ny kabarin'i Andry Rajoelina tao amin'ny lapan'ny

05-févr-2024

kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina tamin'ilay hoe 100 andro voalohany nandraisany fahefana ny taona 2019. Naverina noresahana ilay IEM, mbola naseho teo daholo ireo ho mpiara-miasa, nosoritana ny hoe tondrozotra sy lalan-kombana, notairina tamin'ny resaka Iles Eparses ny olona fa hoe tsy maintsy alaintsika manontolo io ary tsy misy fiaraha-mitantana izany. 5 taona aty aoriana toa efa angano angano arira arura sisa ny resaka nosy manodidina. Resaka be natao nandritra io ny hoe tsy ekentsika ny fakana tombony be loatra ary hiady amin'ireo mpandraharaha amin'ny solika isika ka namohana didy mihitsy hoe tsy mahazo ampiakarina ny vidin'ny solika fa tokony ampidinina aza. Ankehitriny iaraha mahita ny zava-misy fa tena sempotra amin'ny vidin-tsolika na ny olon-tsotra manana fiara, na ny fanjakana, na ny jirama fa indrindra ireo mpitatitra. Ilay resaka ady amin'ny tsy fandriampahalemana moa dia tahaka ireny hoe hanao inona ireny ery, 5 taona aty aoriana misy hatramin'ny hoe mangalatra voamaso sy olona varira. Mitombo isa ny fakana an-keriny olona any ambanivohotra, mihorohoro ireo tantsaha hany ka tsy mifantoka intsony amin'ny famokarana. Dia ankehitriny tenenina indray fa hoe ampiana ny tantsaha, rehefa avy nadaladalaina 3 taona lasa hoe maninona moa raha mba mamboly artemisia indray isika fa hiainga eto Madagasikara ny famonjena izao tontolo izao. Aty amin'ny taona 2024 ve ilay olona efa nitantana ny firenena ny 2009 ka hatramin'ny 2014 sy 2018 ka hatramin'ny 2023 no milaza hoe ataontsika laharam-pahamehana ny fanampiana ny mpamokatra satria mila mahavita tena ara-tsakafo isika ? Ny fandaminana ny tanàna, ny fifehezana ny fari-dranomasina sy ny harena an-kibon'ny tany efa tsy resahana intsony fa dia manaratsy endrika tanteraka an'i Madagasikara. Ny sosialim-bahoaka toa lasa atao entam-barotra isaky ny mihetsika fotsiny. Miha mahazo vahana ny fahalovana sy ny kolikoly eto Madagasikara raha ny tarehimarika farany nivoaka ho an'ny 2023. Mitombo isa ireo manao fihetsika mamoafady any anaty fiarahamonina any. Tsotra ny anton'izany rehetra izany miha mahantra ny olona, ara-tsaina, ara-batana ary ara-panahy... tsy afa-miala amin'izany ny mpitondra fanjakana izay tsy nahay nametraka mazava ireo tena laharampahamehana fa nandany andro tamin'ny fandrendrehana ara-tsaina sy fanambatambazana ary famalifaliana vahoaka. Dia izao iaraha mahita izao ny vokany, tsy mandroso fa mihemotra i Madagasikara.
RTT
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Tsy nisy fitsabatsabahana nataon’ny vondrona eoropeanina loatra tamin’ny zava-nisy

Card image cap
17-mai-2024

Anisan’ireo nampanantenain’ny filoham-pirenena fa hananganana kianja manara-penitra ny ao Ankazobe.

Card image cap
17-mai-2024

Nivadika tanteraka ny rasa ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana.

Card image cap
17-mai-2024

Efa manao izay tiany atao ny mpitondra fanjakana, hoy ny mpamakafaka, mpanao politika,

Card image cap
17-mai-2024

Niaiky hatrany ny Filoha Andry Rajoelina fa tena marary isika amin’ny lafiny angovo,

Card image cap
16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap