airtel

Politique

20-août-2025

Fitondràna Rajoelina sy ny manara-penitrany

Mampianatra ny malagasy hionona sisa ataony

Sample post image

Hiaraha-mahita io ny Kianja Barea tsy mety mahazo fankatoavana avy amin’ny

20-août-2025

CAF sy ny FIFA lava izao nefa nireharehana fa manara-penitra. Nisy fotoana izany kianja izany no tondra-drano sy nampiaiky volana ny depiote teo aloha Paul Bert Ramasimanana na Rossy mihitsy rehefa avy ny orana. Ny matetika fitenin’ireo mpanohana ny fitondràna Rajoelina na ny ao anatin’ilay fitondràna mihitsy, na olom-boafidy io na olom-boatendry, dia ny hoe «mahaiza mankasitraka!». Ny EPP lazaina fa manara-penitra sasany manara-pofona ary ny tena naha menatra dia ireo haino aman-jery vahiny mihitsy no namoaka ny fanadihadiana sy nampiseho ireo rakitsary ahitàna ireo sekoly mitete rehefa avy orana sy ny fivoahan’ny loto any amin’ny toeram-pivoahan’izany, izay tsy araka ny tokony ho izy. Firifiry ihany koa moa izay biraom-panjakàna nolazaina fa manara-penitra nirodana ho azy teto amin’ity firenena ity izay tao anatin’izao fitondràna izao? Hatramin’ny hopitaly ambara ho manara-penitra sasany nahitàna izany efa hatramin’ny andron’ny tetezamita 2009-2013, tetezamita izay notarihin’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, koa izany. Io indray ankehitriny ny lazaina fa lala-migodàna na «autoroute» mirefy 8km hatreto dia milaza indray depiote lany tamin’ny lokon’ny fitondràna sasany hoe «io aloha no misy dia ifalio!» na dia efa manam-pahaizana momba ny asa vaventy sy ireo ela nietezana amin’ny fampiasàna lalana eto Madagasikara aza no manahy ny amin’ny mety ho sanatria loza aterak’izany lalana zara fa vita izany. Mampianatra ny malagasy hionona sisa, araka izany, no ataon’ny fitondràna Rajoelina sy ny manara-penitrany samirery, raha ny hita hatramin’izao aloha. Hionona anaty tsy fahanjariana hatrany ve izany?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-sept-2026

hiakatra Fitsarana

Card image cap
22-sept-2026

Efa any New York ny ampahany

Card image cap
18-sept-2026

Manoloana ny toe-draharaham-pirenena

Card image cap