airtel

Politique

29-août-2022

Politique

Fitondrana Rajoelina Tompondakan’ny gaboraraka sy mamoa-henatra

Sample post image

Efa hatramin’ny andron’ny tetezamita nanomboka ny taona 2009 no nisy ny tantaran’ny satro-boninahitry ny mpanjaka very.

29-août-2022

Ny aferana andramena moa dia niseho tamin’ny endriny maro mihitsy ary hatramin’izao dia mbola tsy fantatra mazava izay tena niafarany. Ny fidirana fiara tsy mataho-dalana miisa 350 izay nolazain’ny praiminisitra tamin’ny fotoan’androny fa fanomezana nomen’ny namany vahiny azy moa tamin’ireny fotoana ireny.
RAHARAHA HAFAHAFA MARO
Nohamafisiny taty aoriana fa nomeny ny tafika malagasy izany nialohan’ny nanendrena azy ho lasa masoivohon’I Madagasikara atsy amin’ny nosy Maorisy. Tafapetraka indray ny kandida notohanan’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, ny taona 2013 dia nipoitra daholo indray ny raharaha vola 2 baoritra tratra tanaty fiarana solombavambahoaka avy amin’ny antoko politika TGV tamin’ny andro vao mangiran-dratsy. Ny dosie momba ireo tsenam-baro-panjakana moa tsy lazaina intsony. Tafaverina eo amin’ny fitondrana ankehitriny I Andry Rajoelina. Vao maika mitohy sy maroloko ny gaboraraka sy tranga mamoa-henatra saika hita isan’andro izay hita maha tompondaka izao fitondrana izao mihitsy. Teo ny raharaha “Panier Garnis», “Bonbon sucette”, ny “écran plat”. Hatramin’izao mbola takian’ny mpanohitra ny fitondrana mijoro ny mangarahara mikasika ny famatsiam-bola tamin’ny Covid 19. Efa nandalo teo ny resaka fiarahana minisitra amina artista. Ny laza adina tamin’ny fifaninanana hidirana ao amin’ny ENMG tsy mandeha amin’izay laoniny. Vao ny sabotsy teo indray dia iny niaraha-nahita iny ny raharaha herisetra ara-nofo voalaza ho nataona governora iray ; ny resaka an-jorony mivoaka etsy sy eroa momba ny fitondran-tena tsy mendrika ataona manampahefana efa tsy resahana intsony.
HAREM-PIRENENA TAFAPORITSAKA
Ankoatran’izay moa dia andrasana fatratra ny fanatanterahana ny veliranon’ny filoham-pirenena mikasika ny fiarovana ireo harem-pirenentsika toy ny harena an-kibon’ny tany. Mivoaka ohatran'ny gadra nandositra ny volamena tato ato izay, hoy ny mpanao politika.Tsy fantatra hoe iza no ao ambadika. 73,5 kg no tratra tany Afrika Atsimo, 49kg tany Kaomôro, 36kg nanjavona tao amin'ny biraon'ny ministeran'ny harena an-kibon'ny tany, 17 kg tratra teny Ivato vao tamin'ny Alakamisy alina teo. 175 kg mahery kely hatreto izany no volamena voalaza fa saika haondrana an-tsokosoko.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap