airtel

Politique

19-févr-2024

Fitondrana volomboasary

Manao serasera mafy hoe : atokisan’ny banky iraisam-pirenena…

Sample post image

Eo anilan'i Madagasikara ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny fanatanterahana

19-févr-2024

ireo tetikasa ho an'ny fampandrosoana ny firenena, hoy ny Mpitondra. Nambara fa nataon'ny filoha lefitry ny banky iraisam-pirenena misahana ny faritra atsinanana sy atsimon’i Afrika, Victoria KWAKWA, laharam-pahamehana ny fihaonana manokana tamin'ny Filoha Andry Rajoelina omaly. Nanantitra ny fahatokisana ny haitarika ananan'ny Filoham-pirenena sy ny vinany ho an'ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny Banky Iraisam-pirenena ka hiroborobo araka izany ny fiaraha-miasa hiarahana amin'izy ireo, hoy hatrany ny Fiadidian’ny Repoblika. Nambara mihitsy aza fa mitentina hatramin’ny 4 lavitrisa dolara ny fanohanan'ny Banky Iraisam-pirenena eto Madagasikara eo amin’ny sehatra maro toy ny angovo, ny fotodrafitrasa, fampianarana, ny fananan-tany,... Na izany aza, tsapa ho ny serasera aloha izao no betsaka. Nahoana no tsy mirotsaka hatramin’izao ny 100 tapitrisa dolaran’ny Banky Iraisam-pirenena tafiditra ao anatin’ilay hoe : tohana noho ny tsy fahampiam-bola na «Appui budgétaire » ? Misy ifandraisany amin’ny nahazoana an’io marina ve no nanaovana ny karama farany ambany ho 238 000Ar fa tsy 250 000Ar noho ny tsy fandoavan’ny Fanjakana ny 12000Ar mba ho fanentsenana an’azy tsy zakan’ny mpampiasa ? Marina fa mety misy ny fanohanana mandeha toy ny lafiny mahaolona fa tena milamina araka ny serasera ve ny fahatokisana sy fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola mahazatra sa mangatsiatsiaka ka mitady hirika any amin’ireo izay tsy dia be fepetra toy ny arabo sy ny sinoa?
Toky R
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap
14-mai-2024

Matoa isika mangataka ny manoloana azy, dia noho ny fitsabatsabahany

Card image cap
14-mai-2024

Manana ny fenitra arahina ny diplaomasia iraisam-pirenena, misy fifanarahana soniavina sy arahina

Card image cap
14-mai-2024

Vanim-potoana nalaza tamin’ny tantaram-pirenena izany 13 may 1972 izany,

Card image cap
14-mai-2024

Nentina am-bavaka sy notsofina rano teny amin’ny EKAR Anosisoa Ambohimanarina ny alahady teo mba hahaleo

Card image cap