airtel

Politique

07-févr-2024

Gadra politika

Vita ny sazin’i Be-Rija, tsy afa-bela i Mbola sy Rolly

Sample post image

Nivoaka ny fonja rehefa nanefa sazy 44 volana teny Antanimora i Be-Rija Ravelomanantsoa.

07-févr-2024

Nosamborina ny volana jona 2020 noho ny fanehoan-kevitra tamin’ny tambazotra sosialy Facebook, tamin’ny fotoanan'ny Covid-19 ireny. Nenjehina ho maniratsira fitondram-panjakana sy nanakorontana saim-bahoaka. Tsiahivina fa mpitarika fikambanan’ny mpianatra teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo i Be-Rija tamin’ny fotoan’androny. Niara-dia tamin’i Andry Rajoelina, avy eo niara-dia tamin’ny Fitondrana HVM, efa Tompon’andraikitry ny jono tany Nosy Be tamin’ny fitondrana HVM, namana akaikin’i Mbola Rajaonah mpanolontsaina manokan’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina,... Henjana ny fiantraikan’ny fanagadrana an’i Be-Rija tamin’ny ankohonany, ary tsy mamoha fota-mandry, fa ny volana novambra lasa teo dia namoy ny ainy ny zanany lahy kely vao 8 taona noho ny aretina nikiky azy vokatry ny alahelony an-drainy. Raha tsiahivina, nialoha làlana azy tany am-ponja i Mbola Rajaonah izay tsy sasatry ny mitombo ny vesatra, ka fotoana fohy mialohan’ny fahavitana sazy 5 taona izay ho tapitra ny 14 febroary izao, dia vao nahazo didy fampidirana am-ponja vonjimaika miisa 2 indray izy tapa-bolana laza izay. Iray volana taorian’ny nisamborana an’i Be-Rija ihany koa raha tsiahivina no voasambotra ny 16 jolay 2020 tao an-tranony teny Ambolokandrina ny Minisitra teo aloha Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia. Nohenjehina ho mpaniraka an’ireo nanao hetsika teny Ambohipo izay nolazaina fa nitaky ny famoahana an’i Be-Rija. Nilaza anefa ny lehilahy iray, fa nampanatenaina ho hafahana raha manonona sy mandetika an’i Rolly Mercia, ary nanao taratasy nilaza an’izany, saingy tsy afa-bela ity farany. Nitovana hatrany ihany koa ny vesatra, ary tsy afa-bela mandrak’androany. Tsy ho afa-bela i Rolly Mercia sy Mbola Rajaonah raha mbola i Andry Rajoelina sy ny ekipany no eo amin’ny fitondrana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap
14-mai-2024

Matoa isika mangataka ny manoloana azy, dia noho ny fitsabatsabahany

Card image cap
14-mai-2024

Manana ny fenitra arahina ny diplaomasia iraisam-pirenena, misy fifanarahana soniavina sy arahina

Card image cap
14-mai-2024

Vanim-potoana nalaza tamin’ny tantaram-pirenena izany 13 may 1972 izany,

Card image cap
14-mai-2024

Nentina am-bavaka sy notsofina rano teny amin’ny EKAR Anosisoa Ambohimanarina ny alahady teo mba hahaleo

Card image cap