airtel

Politique

12-mars-2024

Gérard Ramamimampionona

«Ilay zavatra tokony hampiombona indray ity no ifandroritana!»

Sample post image

Zava-dehibe foana ny fananan’ny firenena iray fahendrena, fahalalana,

12-mars-2024

soatoavina mampiavaka azy ka hahafahany miaina sy mampivoitra izany amin’ny seha-piainana na trangam-piainana eo, hoy ny mpahaifiarahamonina sady filoha lefitry ny CFM na filankevitry ny fampiavanana malagasy teo aloha, Gérard Ramamimampionona. Izao izany isika dia hoe mankalaza ny taom-baovao malagasy, hoy izy. Samy manana ny taom-baovaony tokoa ireo firenen-kafa ho mariky ny maha izy azy. Eo no ivoizany ireo soatoavina sy fahendrena tena iainany. Hampitàna koa ny hafatra tsara ho an’ny rehetra. Rehefa mijery ny taom-baovao malagasy, taona maromaro vitsivitsy izay isika no tena nanomboka nankalaza azy io. Ohatran’ny misy endriny samihafa ilay izy. Ny votoatin’ny fankalazana dia tsara ho fantatry ny rehetra. Martsa izao misy dia any amin’ny aogositra sy septambra any koa toa hoe mbola misy. Eo izao dia mahatonga fisaraham-bazana. Inona no tena voatoatiny? Fomba ahoana no tena tokony hankalazana ary inona no vokatra andrasana amin’ny fankalazana? Tokony apetraka mazava tsara izany mba hisian’ny fiombonana sy fironan’ny rehetra hanaiky ilay izy sy hanasongadina ilay hasina maha firenena ny firenentsika. Ilay zavatra tokony hampiombona indray ity no hifandroritana! Hifanotorana dia mahatonga fisarahana. Samy te hitarika ve ny amin’ny hoe izahay ihany no tena manana ny marina dia tsy afaka ny hifanatona mihitsy? Mety nampisara-bazana ny fanjanahantany fa anjarantsika kosa ankehitriny ny mijery izay mampiombona amin’ny hetsika toy itony fa tsy hampiady hevitra foana ny hoe lohataona sa fararano no tena izy? Misy koa ny hoe mankalaza sy tsy mankalaza, ny Kristianina sy tsy Kristianina. Misy ny fanisam-potoana gregorianina efa ikambanan’izao tontolo izao dia ahoana izany no hanomezan-tsika lanja ny antsika manoloana izany? Lasa varotra koa ilay izy sanatria. Raha efa nisy ny fihaonana dia tokony alefa lalindalina izany mba tena iombonan’ny rehetra. Izay tena mampiorina sy manandratra ny tena maha malagasy no tokony jerena ao anatin’ilay izy fa tsy sanatria lasa fihetsiketsehana ivelany na tonga amin’ny teny vahiny hoe «folklorisme» fotsiny ilay izy fa tsy hitondra na inona na inona anaty toetsaina sy toe-po ary toe-panahin’ny tsirairay akory, hoy hatrany ity mpandinika ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap