airtel

Politique

12-avril-2024

Gerry Randriambolaina

“Mbola tsy vita ny tolona, ny fahantrana no fahavalontsika”

Sample post image

Natolotra ofisialy ny alarobia 10 aprily teo teny Alasora ny lisitry ny kandida tarihin’ny Depiote Gerry Randriambolaina

12-avril-2024

amin'ny fifidianana ny 29 May 2024. Nambara fa ho famaliana ny hetahetan'ireo vahoakan'Avaradrano, indrindra ho fanohizana ny asa fijoroana hiaro sy hanohana ireo lalàna mitsinjo hatrany ny tombontsoan'ny daholo be, izay efa nikelezana aina hatrany nandritra ny tolona izay mbola tsy vita na io tamin'ny hetsiky ny "Depiote 73 ny 2019" na tamin'ny "Hetsika fotsy 2023". “Ny fahantrana no fahavalontsika ary atao laharam-pahamehana ny tany tan-dalàna hiadanan'ny ambany lanitra”, hoy izy. Ity depiote ity no lohalisitra, lisitra faharoa Rakotondrasoa Georges avy ao Sabotsy Namehana Avaradrano. Lisitra fahatelo Rambeloarison Lanto Harivony avy ao Ankadikely Ilafy, ary lisitra faha-4 I Faneva avy ao Alasora Avaradrano. Taorian'ny fampahafantarana ireo mpiray lisitra, dia nisy ny atrikasa niarahana tamin’ireo vahoaka maro tonga nanotrona, ary nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo. Nilaza ny depiote Gerry, fa na dia depiote TIM am-perinasa aza izy, na lehiben'ny DISTIM Avaradrano ary mpikambana birao politika TIM, dia nirotsaka ho mahaleotena satria izay no notakian'ireo vahoaka maro mpanohana (na TIM na tsia) tamin’ny fotoam-piasana faharoa efa nataony. Nohazavainy fa tsy ny TIM no nanolotra ny kandida Firaisankina Avaradrano. Efa natao daholo ny dingana tokony ho natao, hoy izy, ary hatramin'ny fifampiresahana tamin’ny Filoha Ravalomanana. “Nilatsaka ny tenako satria ny vahoaka no andriamanjaka ka manaraka ny safidim-bahoaka izay nilaza fa mbola tsy vita ny tolona ka mila tohizana miaraka amiko. Fifaninanana masina no atao, ka na inona na inona atao rehefa tsy sitrapon’Andriamanitra dia tsy tanteraka ary ny mpanenjika dia ao aoriana foana”, hoy ny Depiote Gerry Andriambolaina.
Toky R

 

 

 

 

 

 

 

Dans la même rubrique

15-janv-2025

Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny fifidianana ao Toamasina I. Nanamafy fa hijoro

Card image cap
15-janv-2025

Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina

Card image cap
15-janv-2025

Efa tany amin’ny taona 1913 no nanomboka ny lalàna momba ny fisaharahan’ny

Card image cap
14-janv-2025

Andrasana tsy ho ela ny voka-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra taorian’ny fiakarana fampanoavana mikasika

Card image cap
14-janv-2025

Anatin’ny kihon-dàlana farany amin’ny fitsarana ny raharaham-pifidianana ireo Tribonaly misahana ny ady

Card image cap
14-janv-2025

Miantso ny mpitondra fanjakàna izay raiamandreny, hoy ny antoko politika Natiora.

Card image cap