airtel

Politique

28-mars-2024

Herimanana Razafimahefa

Notorian’ny volomboasary, haongana tsy ho loholona

Sample post image

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

28-mars-2024

dia niverina nitodika any amin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha Atoa Herimanana Razafimahefa indray ihany koa ny vava-basin’ny volomboasary. Taorian’ny fanonganana azy tsy ho filohan’ny Antenimierandoholona nialohan’ny fifidianana Filoham-pirenena, dia notorian’ny Vondrona Parlemantera IRMAR (Isika Rehetra Miaraka amin’I Andry Rajoelina) eny amin’ny HCC mba haongana tsy ho loholona ihany ny amin’izao fotoana izao, ka anisan’ireo dosie eo am-piandrasana fanapahan-kevitra na “instance” ny fitoriana azy. Marihina moa fa loholona voafidy ny tenany fa tsy anisan’ireo notendren’ny Filoham-pirenena. Raha hiverenana fohy ny tantara, dia ny Filohan’ny Antenimierandoholona no misolo ny Filoham-pirenena am-perin’asa raha kandida, ka tsy maintsy miala 60 andro mialoha, araka ny andininy faha-46 amin’ny lalàmpanorenana. Volana vitsy nialohan’ny fialan’ny filoha no efa nanambara ny fiomanany amin’izany Atoa Herimanana Razafimahefa, tamin’ny alalan’ny fifandraisana tamin’ireo rafitra samihafa na ny avy eto an-toerana na Iraisam-pirenena. Fotoana vitsy nialohan’ny fametraham-pialan-dRajoelina anefa dia nisy ny fanambarana izay nambarany fa tsy tamin’ny nahim-pony fa tsy vonona handray ny fahefana indray izy, ka dia nomen’ny HCC ny governemanta ny fahefana. Tonga nanatitra antontan-taratasy teny amin'ny HCC indray ny tenany ny talata 10 oktobra 2023, roa andro taorian’ny nandavany ny toerany, milaza ny fahavononany indray handray ny toerana maha Filoham-pirenena mpisolo toerana azy, ary nisintona ny taratasy, izay natao tamin'ny 08 septambra 2023. Nambarany fa nisy ny fanerena azy hametra-pialana, ka saika atao masoivohon'i Madagasikara any Alemaina. Nohamafisiny ny nambarany tamin'ny fahitalavitra vahiny, fa tena niainany ny fandrahonana azy ho faty, tsy handray ny toerana maha Filoham-pirenena mpisolo toerana azy. Nolazaina fa marary saina ny tenany, ary naongan’ny volomboasary tsy ho Filohan’ny Antenimierandolona, ka nakarina teo amin’ny toerany ny Jeneraly misotro ronono Atoa Ravalomanana Richard izay sady nandray ny toerana maha Filoha mpiara-mitantana vonjimaika miakara amin’ny Praiminisitra. Nipoaka ny raharaha ny raharaha Christine Razafamahasoa, dia io ihany koa fa nampiarahana amin’izany ny fitoriana mba hanonganana ity loholona ity. Tena hoe: fahadisoana goavana ve no nataon’ireo olona ireo raha nitanisa ny zavatra tsy manjary eto amin’ny Firenena? Ny fiainam-bahoaka sy ny lalàmpanorenana ve no ambony sa ny fitsipika anatin’ny antoko iray?
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap