airtel

Politique

13-sept-2022

Politique

Hery Rasoamaromaka “ Izay tsy manao ny asany dia esory ”

Sample post image

Ankoatra ny firesahany ny ady tany etsy Faravohitra izay nilazany sy nanitrikitrihany fa tsy nanao izany izy ary milaza fa vonona hametra-pialana raha mitombina izany,

13-sept-2022

dia naneho ny governoran’Analamanga Hery Rasoamaromaka omaly momba ny fitantanana firenena hoe: izay tsy manao ny asany esory. Nanaitra ny filazany fa “ ny 4 martsa 2025 aho dia “bye bye politika”,… Azo raisina ho fitsaharana ara-politika io? Governora iray no manao ny tsy mety, ny rehetra no miara-maloto, dia miteny aho hoe: miasà tsara, aza manararaotra, misy olona nametraka teo, misy vina napetraky ny Filoha, hoy ny governoran’Analamanga? “Amin’ny maha sekretera nasionalin’ny antoko ahy, miasà tsara, raha ny olona hafa ve no manana governora 23 tsy handroso isika, ka tokony ho tonga saina, ny Faritra Analamanga manao izay ho vitany,… Fa rehefa misy manao ny tsy mety, tsy ny governora ihany fa na minisitra na tompon’andraikitra ara-panjakana samihafa dia tokony hiala daholo. Ny fitondrana mandalo, miezaka manao asa, mba nisy kely vitako ihany mitaha amin’ny hafa. Tokony mihaino ny mpanohitra ihany koa izahay rehefa miteny”, hoy ity olom-boatendry ity. Raha mikasika ireo governora manokana, betsaka no voatonontonona amina raharaha hafahafa, indrindra fa ny fitantanana volam-panjakana, ny kolikoly,… saingy sady tsy mametra-pialàna ilay voatonotonona no tsy manaisotra azy ny olona nanendry. Ny olom-panjakana ambony hafa ihany koa betsaka ny dosie maloto, fa amin’ny ankapobeny toa mipirina avokoa, mety miandry fitondrana manaraka angamba ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-janv-2025

Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny fifidianana ao Toamasina I. Nanamafy fa hijoro

Card image cap
15-janv-2025

Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina

Card image cap
15-janv-2025

Efa tany amin’ny taona 1913 no nanomboka ny lalàna momba ny fisaharahan’ny

Card image cap
14-janv-2025

Andrasana tsy ho ela ny voka-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra taorian’ny fiakarana fampanoavana mikasika

Card image cap
14-janv-2025

Anatin’ny kihon-dàlana farany amin’ny fitsarana ny raharaham-pifidianana ireo Tribonaly misahana ny ady

Card image cap
14-janv-2025

Miantso ny mpitondra fanjakàna izay raiamandreny, hoy ny antoko politika Natiora.

Card image cap