Hiditra amin’ny fivoriana tsy ara-potoana manomboka rahampitso talata 25 aogositra 2026, ary tsy hihoatra ny 12 andro ny Antenimierampirenena. Lohahevitra 7 no voalahatra hodinihina sy hankatoavina, saingy asa izay mety tsy ho ampoizina. Voalohany, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia hanombana ny « protocole SADC » momba ny vola sy ny fampiasam-bola, izay mitondra fanovàna ara-drafitra ho an’ny fifandraisana ara-toekarena sy ara-bola eo amin’i Madagasikara sy ny faritra misy io rafitra ion y Antenimiera. Ankoatra izany, hisy ihany koa ny lalàna mifehy ny filokana sy ny toeram-pilokana, izay kendrena ny hanamafy ny fanaraha-maso sy ny fitsipika. Eo amin’ny lafiny fiarovana, handinika ny fanovàna ny sata ankapoben’ny miaramila, ary koa ny lalàna momba ny fampiasana azo antoka sy milamina ny teknolojia nokleary. Ireo dia manamarika fanamafisana ny rafitra ara-piarovana sy ny fanaraha-maso ara-teknika ao amin’ny firenena. Voalahatra ny fandinihana ny lalàna momba ny fifandraisana elektronika sy ny fotodrafitrasa nomerika, ary koa ny fanavaozana ny lalàna 2014 momba ny ady amin’ny heloka an’habaka. Ireo fanovàna ireo dia mikendry ny hanamafy ny fiarovana sy ny fitokisana amin’ny tontolo nomerika, indrindra amin’ny fotoana i Madagasikara manamafy ny fidirana amin’ny toekarena dizitaly. Farany, ny solombavambahoaka dia hifidy ny fanekena ny Fifanarahana iraisam-pirenena momba ny ady amin’ny heloka bevava anaty aterineto, fantatra amin’ny anarana hoe “Convention de Hanoï”, izay nosoniavina tany Vietnam ny 25 oktobra 2025. Ity fanekena ity dia manamafy ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ny ady iraisam-pirenena amin’ny loza mitatao ara-nomerika. Ireo ny ofisialy fa asa raha hisy fanapahan-kevitra hafa manodidina ny tontolo politika, indrindra teo anetrehan’ny adihevitra amin’ny mety hikitihana ny birao maharitra, ny nitsanganan’ny vovonana VFM na Vovonana ho an’ny Fihavaozan’i Madagasikara,…
Toky R
Nafana tato ho ato ny fanambarana