airtel

Politique

16-janv-2025

Homena ny IRMAR Antananarivo…

Nekena ny fitorian’i Harilala, nolavina ny an’ireo kandida 3

Sample post image

Mizotra mankany amin’ny fampandaniana an’i Harilala Ramanantsoa ny voka-pifidianana havoakan’ny Tribonaly

16-janv-2025

misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana na ny TAF amin’izao faran’ny herinandro izao. Araka ny didy nivoaka omaly 15 janoary 2024, nolavin’ny fitsarana avokoa mantsy ny fitorian’ny kandida Tojo Ravalomanana, Tahina Razafinjoelina, Ndriana Razanamasy,... izay samy nangataka ny fanintsanana ny kandida Harilalala Ramanantsoa. Efa tany amin’ny fotoanan’ny fitsarana ny alatsinainy 13 janoary teo no efa tsikaritra ny fitsipahana, na dia nisy aza ireo porofo maro samihafa nohamarinin’ny vadin-tany, raha ho an’ny Antoko Tia Tanindrazana izay nangataka ny fanalana an-daharana na « disqualification » ho an’ny kandida Harilala Ramanantsoa. Nandeha ny adihevitra, saingy ny nahagaga dia tsy nahazo ny « mémoire en défense » avy amin’ny andaniny izay voarakitry ny lalàna 2001-025 mikasika ny TAF ny mpitory, hoy ny fanazavan’ny mpisolovava ny Antoko Tia Tanindrazana Rtoa Randriamamonjy Saholy tamin’io fotoana io. Nambarany fa tsy nankatoavina tao anatin’ny fotoam-pitsarana nandritra ny fanaovana ny dosie izany. Voafaritry ny lalàna anefa fa mila mahazo fampahafantarana na « notification » ny mpitory. Rehefa nitohy ny fitsarana dia nolazaina ny zavatra tsy nety rehetra, saingy nohamafisina fa ho an’ny tombotsoam-bahoaka sy tombotsoan’ny Firenena ny nitondrana ny zavatra tsy nety teo anatrehan’ny Fitsarana. Nomarihiny fa tsy fanakianana fa fitarainana sy filazana ny zavatra tsy nety hanarenana ny amin’ny manaraka. Andaniny anefa, nankatoavin’ny Fitsarana kosa ny fitoriana kosa ny fitorian’i Harilalala Ramanantsoa nangataka ny fanafoanana manontolo ny fifidianana tao amin’ireo birao fandatsaham-bato miisa 4 tao amin’ny EPP Antsahabe. Nahazo rariny hatrany izany kandida izay nikabary ampahibemaso ity fa izy no kandidam-panjakana, mafy be, tompon’ny tanàna,… ary dia io izy nahazo rariny sy milamina tsara io eo anatrehan’ireo tranga maro samihafa. Mizotra makany amin’ny fampandresena an’i Harilala Ramanantsoa ny voka-pifidianana, saingy raha raisina amin’ny antontan’isa navoakan’ny CENI dia tsy hanana maro an’isa ao amin’ny filankevitra monisipaly ny IRMAR. Asa mbola hitsimbadika lavitra ve iny mba hanomezana vahana hatrany ny IRMAR ? Hanova zavatra betsaka ve ny fanafoanana ampaham-bokatra ? Hanao ahoana ny hoavin’Antananarivo ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.

Card image cap
07-févr-2025

Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny

Card image cap
07-févr-2025

Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana

Card image cap
07-févr-2025

Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny

Card image cap
07-févr-2025

An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,

Card image cap
06-févr-2025

Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo

Card image cap