airtel

Politique

06-mai-2024

Honty Razafitrimo

"Tonga ny fotoana handraisana andraikitra eto amin'ny firenena"

Sample post image

Anisan'ireo kandida hiatrika safidim-bahoaka amin'ny 29 mey 2024 ho avy izao i Razafitrimo Toavintsilavo Honty

06-mai-2024

na i Honty ao amin'ny tarika AmbondronA no tena ahafantaran'ny maro azy. "Olon-tsotra aho no niditra tao anaty zavakanto nahalalan'ny maro ahy. Ankehitriny, tsapako fa izao no fotoana andraisako ny andraikitra eto amin'ny firenena. Hitondra ny hetahetanareo vahoakan'Ankazobe eo anivon'ireo mpanatanteraka", hoy i Honty. "Ny fandraisana andraikitra avy amintsika tsirairay avy no hanova zavatra maro, koa 'ndao hifanome tanana", hoy izy. Hifanome tanana ho an'ny Fahombiazana, no teny filamatra nosafidian'i Honty kandida laharana faha 4 natolotry ny FTT kolekitifa an'ny Malagasy eny amin'ny distrikan'Ankazobe . Ankoatry ny maha mpanakanto azy dia mpitarika fikambanana tantsaha i Honty no sady tompon'andraikitra amina trano fisakafoahanana lehibe iray eto an-drenivohitra. Na tsy dia be resaka sy tsy mpanao fanehoan-kevitra matetika aza dia anisan'ireo tena manaraka ary maharaka tsara ny fiainana politika eto sy ny raharaham-pirenena izy. Ary raha ny fantatra dia efa elaela ihany no nikasa hiditra mivantana amin'ny politika fa izao moa vao tanteraka izany.
Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Tsy nisy fitsabatsabahana nataon’ny vondrona eoropeanina loatra tamin’ny zava-nisy

Card image cap
17-mai-2024

Anisan’ireo nampanantenain’ny filoham-pirenena fa hananganana kianja manara-penitra ny ao Ankazobe.

Card image cap
17-mai-2024

Nivadika tanteraka ny rasa ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana.

Card image cap
17-mai-2024

Efa manao izay tiany atao ny mpitondra fanjakana, hoy ny mpamakafaka, mpanao politika,

Card image cap
17-mai-2024

Niaiky hatrany ny Filoha Andry Rajoelina fa tena marary isika amin’ny lafiny angovo,

Card image cap
16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap