airtel

Politique

27-mars-2024

Jean Jacques Ratsietison

«Noporofoin’ny PAN fa tsy misy loko ny fahamarinana»

Sample post image

Ny antoko politika rehetra samy manana ny sata sy fitsipika anaty mifehy azy dia mampihatra azy,

27-mars-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika FMI Malagasy na Fahefa-mividy izao no ilain’ny malagasy, Jean Jacques Ratsietison. Ao anaty antoko izany, hoy izy, mahafantatra hoe inona no antony hanesorana olona Tsy misy idiran’ny fanjakana io fa samy manana ny azy ny antoko politika. Amin’ny maha filohan’ny antenimieram-pirenena, ny fanesorana azy eo amin’ny toerany, ohatra hoe fanesorana azy amin’ny maha filohan’ny antenimieram-pirenena, tsy misy idiran’ny antoko iny. Ny fitsipika anatin’ny antenimieram-pirenena no ampiharina. Tsy misy idiran’ny IRD ny fanalana ny filohan’ny antenimieram-pirenena amin’ny maha depiote azy. Ny olona rehetra rehefa tafiditra anaty antenimieram-pirenena dia afaka miala amin’ny antoko nahalany azy aza raha azony atao. Ny fahitan’ny FMI malagasy ny fikasana hanala ny filohan’ny antenimieram-pirenena na PAN, izany hoe «déchéance» dia midika fa tsy misy mahazo maneho hevitra intsony eto rehefa tsy mitovy fijery amin’ny fitondrana. Manohana ny PAN izahay. Ny tenako manokana manohana ny PAN satria mandeha amin’ny fahamarinana izy. Noporofoin’ny PAN fa tsy misy loko ny fahamarinana. Tsy menamena io na maitsomaitso na volomboasary fa fotsifotsy ary izay no hiderako sy hanohanako izany vehivavy izany hatramin’ny farany, hoy hatrany i Jean Jacques Ratsietison.

J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap