airtel

Politique

22-févr-2024

Jean Louis Rakotoamboa

«Tsy inoako hoe tsy tafiditra anatin’ireo afera maloto i Rajoelina»

Sample post image

Efa nilaza hatrany am-boalohany ny antoko politika Teza fa fitondrana mafia

22-févr-2024

io fitondrana io, hoy ny filohan’ity antoko politika ity, Jean Louis Rakotoamboa. Mampahatsiahy fotsiny aho, hoy izy, fa tantely afa-drakotra ny andramena na «bois de rose» tamin’ireny tetezamita ireny. 500 tapitrisa Dolara ny vidina andramena naondrana tany ivelany. Nanana fahefana amperora tamin’ireny ingahy Andry Rajoelina saingy naninona ny «bois de rose» no tafavoaka an-tsokosoko? Na izy tao ambadika na izy tsy mahay miaro ny tombontsoam-pirenena. Izay no itenenanay hoe fitondrana mafia no misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Ireny tranga mamoa henatra na «scandale» nifanesy ireny na ireny kolikoly tao amin’ny minisiteran’ny fitsarana ireny, na ireny «écran plat» tamin’ny COVID ireny na ireny volamena 73,5kg ireny na ireny famotsiam-bola any ivelany navoakan’ny Panama papers mikasika an’ingahy Mamy Ravatomanga ireny dia samy mamoaka daholo fa ekipana mafia ireo ary mba hanarontsaromana ny maha mafia azy dia mody manao resaka lava lela be fotsiny izy hoe ho ataoko an’izao sy izao. Ny zava-misy dia betsaka ny afera atao eto Madagasikara dia tratra indray ireny, tany Londre, ny talen’ny kabinetran’ny fiadidianan’ny repoblika izay tsy inoako hoe tsy tafiditra tao anatin’ireny i Andry Rajoelina. Ny didim-pitsarana moa mbola tsy nivoaka fa notapahana fotsiny hoe meloka izy. Ny didim-pitsarana mbola any amin’ny martsa any. Mbola be dia be ny zavatra atao ao amin’io fitondrana io fa sarontsaromana fotsiny. Anarany fotsiny misy Bianco eto amintsika, PAC, fitsarana sy ny namany fa ny mampalahelo dia ao anatin’ny lalàmpanorenantsika mihitsy no filoha fara-tampon’ny foloalindahy ny filohan’ny repoblika. Filoha fara-tampon’ny fitsarana izy. Filoha fara-tampon’ny mpanara-maso ny volam-panjakana izy satria ny fahefana mpanatanteraka no mampiasa an’io. Filoha fara-tampon’ny parlemanta izy rehefa manana maro an’isa ao amin’ny antenimieram-pirenena. Lazaina fa afaka manao fanadihadiana parlemantera ny antenimieram-pirenena ary ireny tranga rehetra ireny tokony hisy izany fanadihadiana izany nefa tsy misy satria afo fandiovana ny antenimieram-pirenena amin-drizareo. Manana fahefana hametraka ambony latabatra ny fanamelohana an’ireo rehetra ireo ny antenimieram-pirenena saingy tsy avela satria baikoan’ny filoham-pirenena an-kolaka. Afaka manao tatitra amin’ny vahoaka izy saingy tsy nisy izany fa raha nikasa hanao izany aza ny fanoherana dia ireny nosakantsakanana sy nosambontsamborina ohatran’ireny nahazo ny depiote Fetra ireny. Izay no ilana ilay fanorenana ifotony fa raha tsy izany dia mandrevy isika ary ho tantely afa-drakotra foana ny harem-pirenena. Niezaka nanazava ny tsy mampety ilay rafitra moa ireny ny kandida miisa 11. Efa betsaka ny ezaka natao ary manomboka tsapan’ny olona ilay izy matoa ny 85%n’ny malagasy no tsy tonga nifidy farany teo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap
14-mai-2024

Matoa isika mangataka ny manoloana azy, dia noho ny fitsabatsabahany

Card image cap
14-mai-2024

Manana ny fenitra arahina ny diplaomasia iraisam-pirenena, misy fifanarahana soniavina sy arahina

Card image cap
14-mai-2024

Vanim-potoana nalaza tamin’ny tantaram-pirenena izany 13 may 1972 izany,

Card image cap
14-mai-2024

Nentina am-bavaka sy notsofina rano teny amin’ny EKAR Anosisoa Ambohimanarina ny alahady teo mba hahaleo

Card image cap