airtel

Politique

19-sept-2022

Politique

Jeneraly Ramiaramanana Joseph “Angaroniko ny biby an-davaka fa mampahory vahoaka”

Sample post image

Nitondra valin-kafatra ho an’ny Filohan’ny Sendikan’ny Adminisitratera sivily (SYNAD) Paolo Raholinarivo ny Governoran’ny Faritra Bongolava Jeneraly Ramiaramanana Joseph ny faran’ny herinandro lasa teo eo

19-sept-2022

anatrehan’ny fanehoan-kevitra mivaivay nataon’ny Filohan’ny SYNAD nampitandrina an-dRagôva tsy hikitikitika ny Prefe miampy kiana mivaivay. Nisy mihitsy moa ny fomba firesaka nahery vaika toa niaro fandrahonana sy fampitandremana hoe: “Fa mihevitra ny tenanao ho iza ianao? Aza mangarom-biby an-davaka,…”. Nahitsy kosa ny governora naneho fa tsy mahalala akory ny tena zava-misy ny Filohan’ny SYNAD ary misy mamporisika an-jambany ka lasa manaotao foana. “Fa maninona raha sokafana aloha ny fanadihadiana dia midina aty an-toerana ianao e ? Izao amporisihan’olona dia mijabaka sy mihinanam-bolony. Tsy misy hidirako ny fanesorana ny prefe any Tsiroanomandidy fa ireo Fikambanan’ny ben’ny Tanàna no mitaky ny hanesorana azy fa aza avadika . Ny vahoaka eto Bongolava mijaly nohon’ny afitsok’ilay olona arovanao . Olona mpampahory vahoaka no arovanao ry Paolo fa mba mahalala menatra a! Efa fataonao moa ny zavatra tahak’izao dia tsy mahagaga”, hoy ny Jeneraly Ramiaramanana Joseph. Nilaza moa ny Fikambanan’ireo ben’ny tanàna fa “maka vola tsy ara-drariny amin’ny vahoaka tantsaha ny Lehiben’ny boriborintany, efa nisy fitarainana nataon’ny Fikambanan’ny ben’ny tanàna tamin’ny Prefe fa tsy noraharahiany. Mangataka ny hanesorana ny Prefe izahay ary tsy mihemotra amin’ny fitakiana. Ny prefe no takianay hesorina ara-dalàna, tsy misy mitondra kibay eto na famaky, kanefa rahonana amin’ny mpitandro filaminana, ka ny dahalo no tokony hohenjehina fa tsy izahay no ampitahorina, tongava ianareo mijery ny zava-misy, avelao izahay avelao ny vahoaka hiteny an-kahalalana. Diso fanantenana aminao izahay, noheverinay fa mba olo-marina ianao, mitaraina amin’ny resaka omby sy bokin’omby fa tsy hitanao, aza mitabata any amin’ny Facebook ianao Paolo, fa mba tongava aty mijery ny marina”, hoy ireo ben’ny tanàna.
FA IZA IZY NO HAMPITANDRINA AHY?
Ny Jeneraly Ramiaramanana Joseph kosa naneho fa fa tsy mikoso-maso raha resaka fiarovana tombotsoam-bahoaka, toa naneho aza fa vonona hifampitana, raha ilaina. “ Fa iza moa Paolo i no hampitandrina ahy ? Aleo ho fantatry ny vahoaka fa Paolo anie ka tsy manana foto-kevitra Mahitsy, mpanao politika miova loko lava, HVM dia avy eo niaraka tamin’ny Pasteur Mailhol dia nihetsiketsika mafy nitady seza tao anatin’izao fitondrana izao fa tsy mety mahazo. Rehefa tsy mety mahazo toerana dia io lasa mandrahona Mpitondra Fanjakana isak’izay mandeha io. Tsy olona tahaka an i Paolo no hiteny sy hampitandrina ahy fa raha te ahita izy dia midina aty mijery ny zava-misy. Sao dia mba ianao no mikitika vodin-tsoavaly, mitsapa vy mahamay? Angaroniko mihintsy ny biby an-davaka ary tsy atahorako an’iza na iza satria mampahory vahoaka , io fa miseho ny marina dia iny fa mialokaloka ao ambanin’ny SYNAD ny Prefe eto Tsiroanomandidy dia Paolo no ataony fitaovana”, hoy ny Governoran’I Bongolava. Notsipihiny hatrany fa tonga teo aminy ireo Fikambanan’ny ben’ny Tanàna ireo rehefa tsy noraisin’ny prefe ny fitarainany. Niezaka niteny ireo ben’ny Tanàna foana aho, hoy ny governora, mba hiandry sao handray andraikitra ihany ny Prefet amin’ny fitarainana nataon-dry zareo saingy tsy nisy mihintsy ilay izy dia io niafarany. Toa hoe nandefa Taratasy any Minisitra ihany koa izy ireo raha ny tatitra natao tamiko . “Tsy hoe rehefa mitaraina any amin’ny Filohan’ny SYNAD dia manana ny marina fa aleo mba midina ifotony dia amin’izay tsy miteniteny foana ohatr’ireny. Fa angaha raha mamoaka feo avo sy mitabataba lava i Paolo dia atahorana e? Averiko Farany angaroniko mihintsy ny biby an davaka satria mpampahory vahoaka", hoy hatrany ny Jeneraly Ramiaramanana Joseph. Nilaza moa ny Filohan’ny SYNAD hoe: esory ny Prefe ao Tsiroanomandidy dia ho hitantsika eo ny tohiny.

Efa niparitaka tamin’ny facebook nanomboka omaly tolakandro indray moa ny valin-kafatr’i Paolo Emilio Raholinarivo filohan’ny SYNAD.Atao ny fanadihadiana dia saziana izay diso, hoy izy.
? Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap