Avereno any Antsiranana, hoy izy, ny ben’ny tanànan’Antsiranana fa tsy lojika ny fisamborana azy. Ben’ny tanàna andeha hivory hanamboarana ny tanànan’Antsiranana no voasambotra. Apetrao eto Madagasikara ny marina! Raha nisy tsy nety nataony dia anjaran’ny tomponandraiki-panjakana voakasika no mitady ny marina fa rehefa tsy izay dia avereno amin’ny toerany ilay ben’ny tanàna fa sahirana ny kaominin’Antsiranana. Ny tsy fifankahazoany amin’ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena sy ny governora no antony hanenjehana azy, raha ny fahitako azy. Any Antanimora izy raha ny heno ka avoahay io ben’ny tanàna io fa te hanamboatra ny tanànan’i Diego. Haka vola amin’ny banky iraisampirenena no niakarany teto Antananarivo dia hanamboatra ny tanànan’Antsiranana amin’io vola io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Mihamafy ny fipoahana sosialy ateraky ny olana samihafa miantraika ara-toekerana,
Hakiviana ny an’ny ankamaroan’ny fanehoan-kevitr’ireo mpanara-baovao
Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,
Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,
Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na