Lasa fitenin’ny mpanao politika, hoy ny Raiamandreny ara-drazana, Josephin Andriandrainarivo, ny hoe izahay vahoaka. Firy isan-jaton’io vahoaka io no raisin’ireny mpiteny isanisany ireny hoe izahay vahoaka, hoy izy? Firy isan-jato amin’ireo mitovy hevitra aminy? Lasa mahatsiravina ny maheno mpanao politika miteny hoe izahay vahoaka! Mba ahoana ny anjaran’ny vahoaka maro an’isa tsy miheritreritra politika fa miheritreritra ny fiainany an-davan’andro? Aiza no mba anjaran’ny vahoaka amin’ny ady seza lava eto? Miheritreritra ny fandriampahalemana ireo, ny fahasalamàny, ny fahafahany mivelona sy mihary harena ary mizaka ny taniny tsy voarebireby na voahilikilika na voasandotsandoka? Miheritreritra ireo ny fahafahany mampiana-janaka, mijery antoka fa misy izany fanjakàna manana adidy aman’andraikitra amin’ny raharahan’ny tanindrazana sy firenena ary vahoaka izany. Tazana fa ampahany amin’ny vahoaka ireo mifandimby, mifandova, ho lasa mpanao politika eto Madagasikara ireo. Ampahany ny mpanohana azy ireo. Mifamadibadika eo ireo ary matetika misandoka ny fihetseham-pom-bahoaka. Lokoina atao mainty izay mpitondra eo rehefa tsy tian’ny mpanjanaka, mpambabo no marimarina kokoa, ary alefa sesintany any Frantsa ihany, any amin’ny mpambabo. Diovina indray iny aty aoriana rehefa miala izay eo dia averina eo ihany. Miodinkodina eo daholo izy mianankavy. Izy samy izy ihany no miodinkodina mamendrofendro vahoaka eo hoe ratsy ranona, gadrao ranona, ataovy an’izao ranona. Tsy omena lanja eto ny olona na velona na maty. Hatramin’ny 1989 tany no nisian’ny halatra taolam-paty izany. Zava-masina eo amin’ny malagasy izany taolam-balo izany. Indrisy anefa fa nontsinontsiniavina hatrany. Nirongatra tao ho ao ny halatra varira dia very an-javony. Teo ny hala-jaza sy halatr’olona dia io fa mitonitony indray raha toa ka nipoaka be iny ny fetim-pirenen’ny mpanjanaka. Raha mbola tsy votsotra ireo nosy manodidina ary mbola tsy mipetraka ny rindran-damina tena malagasy dia mbola ho mpanjanaka na ny marimarina kokoa, mpambabo, hatrany no anaran’i Frantsa sy ny Vondrona eoropeanina, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Nifarana ny fitsidihana ofisialy