airtel

Politique

23-févr-2024

Kajy politika ao Betafo

Soloina olon’ny volomboasary ny sefom-pokontany…

Sample post image

Nosoloin’ny Lehiben’ny distrika omaly ny sefom-pokontany miisa 3

23-févr-2024

ao anatin’ny Kaominina Ambonivohitr’i Betafo, dia ny fokontany Ambohinaorina, Miaramamindra, ary Ambohiambo, raha ny vaovao azo avy any an-toerana. Nosoloina olona nanohana an’i Andry Rajoelina tamin’ny propagandy, hoy ny fampitam-baovao. Fifandrifian-javatra ve ny hoe : ao anatin’ny vanim-potoana mialohan’ny fifidianana no isehoan’ny tranga tahaka izao ? Kajy politika hoenti-manome tombondahiny ny kandidam-panjakana ? Sarotra ny toeran’ny volomboasary any amin’io distrika io, ary tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany, dia olon-kafa no lany saingy nanaovana antsojay, nofoanana ny vatony marobe tany amin’ny biraom-pandatsaham-bato sasany,… nampandresena ny kandidan’ny volomboasary. Tao anatin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo, dia kandida tsy nanao propagandy no nahazo vato betsaka noho ny kandidam-panjakana,… Betsaka noho izany no mandika izao fanapahan-kevitra izao ho kajikajy ara-politika hoenti-miatrika ny fifidianana.
Toky R
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap