airtel

Politique

14-mars-2024

Kajy politika…

Nakarina ho 163 ny isan’ny depiote

Sample post image

Nolanian'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana famenon'ny didim- panjakana

14-mars-2024

laharana faha 2019-189 tamin'ny 20 febroary 2019 mamaritra ny isan'ny mpikambana eo anivon'ny Antenimierampirenena, sy ny fitsinjarana ny toerana (répartition des sièges) manerana ny firenena malagasy, ary ny fomba famaritana ny fari-pifidianana ho an'ny fifidianana solombavambahoaka. Navoitra ary fa ny distrika tsirairay avy no mirafitra ho fari-pifidianana ary tahaka izao ny famaritana ny isan'ny solombavambahoaka isaky ny fari-pifidianana. Ny boriborintany 6 izay mirafitra ho distrika 6 eto Antananarivo renivohitra dia manana solombavambahoaka 2 avy isaky ny boriborintany, amin'ny maha- renivohitr'i Madagasikara azy, izany hoe : tsy nisy fiovana io fa voatazona tamin’ny endriny hatramin’izay. Ny distrika renivohim-paritany 5 hafa koa dia manana solombavambahoaka 2 avy, toy ny mahazatra. Ny distrika manana isan'ny mponina mihoatra ny 310.000 dia manana solombavambahoaka 2 avy, ary ny distrika manana isan'ny mponina latsaka ny 310.000 dia manana solombavambahoaka 1 avy. Na manahoana na manahoana kosa dia tsy misy distrika manana solombavambahoaka mihoatra ny 2. Fiovana lehibe kosa ny namaritana, fa 163 ny isan'ny solombavambahoaka manerana an'i Madagasikara hofidiana amin'ny fifidianana amin'ny 29 mey 2024, izany hoe niampy 12 raha ampitahaina amin'ny tamin'ny 2019, izay 151. Noho ny fitombon'ny isan'ny mponina no nambara fa antony. Ireto avy ny distrika sy ny faritra misy azy lasa hanana solombavambahoaka miisa 2 hofidiana ao aminy ankoatra ireo efa nanana 2 hatramin'izay: Ambatolampy (Vakinankaratra) ; Betafo (Vakinankaratra), Antsirabe I (Vakinankaratra) ; Ambalavao (Matsiatra Ambony); Ihosy (Ihorombe) ; Toamasina II (Atsinanana) ; Mahanoro (Atsinanana) ; Mandritsara (Sofia) ; Betioky Atsimo (Atsimo Andrefana) ; Amboasary Atsimo (Anosy) ; Ambilobe (Diana) ; Antalaha (SAVA).
KAJY POLITIKA ?
Tsara moa ny manamarika, fa ho an’ny isan’ny distrika, dia niakatra ho 120 rehefa nankatoavina vao herinandro lasa izay ny fananganana vaovao an’ Antanimora Sud, nosarahina tamin’ny distrikan’Ambovombe. Raha samy nieritreritra ny rehetra fa mety tsy hiova na hitombo iray farafahabetsany ny isan’ny depiote ao Tsimbazaza satria Ambovombe nanana depiote roa, ka noheverina fa hahena iray noho ny fihenany na tazonina ho roa dia manana ny azy i Antanimora SUD, dia tsy izay no nitranga. Eo ny famaritana ara-teknika sy ara-jeografika nampiakarana ny isan’ny depiote noho ny mety fitomboan’ny mponina tokoa, saingy azo heverina ihany koa ny fisiana kajy politika hahazoan’ny antoko na vondron’antokon’ny fitondrana toerana any amin’ireo ahiana tsy hahazony fandresena, na koa hanatrarana ilay tanjona hahazoana maro an’isa. Ho an’ny distrikan’i Betafo ohatra, dia ny kandida mpanohitra tsy nanao propagandy akory no nahazo vato betsaka tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, ka mety hatahoran’ny fitondrana ny tsy hahazoany toerana. Ny distrikan’i Betioky ohatra, dia heverina fa ho sarotra ny handavo ilay depiote ankehitriny izay lany 92% tamin’ny 2019 kanefa efa tsy miaraka amin’ny fitondrana, ny any Antalaha dia tsy levon’ny vavonin’ny fitondrana ny tsy nahalanian’ny kandida volombosary tamin’ny 2019,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap