hoy ny Kolonely Emilien Ramboasalama, dia mangataka ny firotsahako ho kandida solombavambahoaka izay atao ny 29 may izao ireo mponina. Rehefa noeritreretina sy nosainina lalina izany dia namaly ny antso aho ary hirotsaka ho kandida amin’ny anaran’ny tenako manokana na «indépendant». Akaikin’ny vahoaka aho ary avy amin’ny vahoaka. Avy amin’ny faritra iva avokoa ny 75%n’ny mponina ety. Manjaka ety ny tsy fandriampahalemana. Dibo-drano ny ety noho ny fanotorana tany tsy ara-dalàna. Mahantra dia mahantra ny vahoaka ka izay rehetra izay no ezahana arenina. Efa nisy ny ezaka natao. Tsy vita iray andro ny asa fampandrosoana. 32 no isan’ny fokontany eto amin’ny boriboritany faha 4. Nanaovana asa fanampiana sy fampandrosoana daholo ireo. Asa fampandrosoana niadiana tamin’ny tsy fandriampahalemana, tsy fananan’asa, fahasahiranana maro. Ezahana ny hanatsarana hatrany ny fiainam-bahoaka ety amin’ny boriboritany faha 4, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Hivoaka anio 17 janoary amin’ny 10 ora maraina etsy amin’ny Tribunal Admnisitratif Anosy
Efa anaty krizy izao i Madagasikara, hoy ny mpanao politika sady mpahailalàna, Alain Mahavimbina.
Manomboka miverina sy mifoha ny resaka fitakiana ny famoahana ireo gadra politika amin’izao
Tsy natao hanakorontana na hanimba zavatra ny fanoherana, hoy ny antoko politika FLN na «Front de libération national».
Foto-pisainan’ny antoko politika FLN na «Front de libération nationale» ny hoe tsy misy vahoaka resy amin’ny taniny,
Tena manahirana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny antoko politika Maeva na Madagasikara