airtel

Politique

16-avril-2024

KANDIDAN’NY FIRAISANKINA AO AVARADRANO

Mitety kaominina mampahafantatra ny filatsahany

Sample post image

Mitohy hatrany ny fitetezana ireo kaominina mandrafitra ny distrikan’Avaradrano tanterahin’ireo Kandida Solombavambahoaka

16-avril-2024

avy amin’ny Vovonana Firaisankina tarihin’ny Ben’ny tananan’ny Sabotsy Namehana Avotraina Andriamosa. Ankoatra ny fampahafantarana ireo vahoaka eny ifotony ny filatsahan’izy ireo dia misy ihany koa ny fampahalalana ny antony nisafidianan’ny filoha teo aloha Ravalomanana azy roalahy ireto. Ho an’Atoa Avotraina Andriamosa dia fantatra fa efa filohan’ny DisTIM ny tenany tamin’ny taona 2007.Efa 17 taona ny nitantanana ny tananan’ny Sabotsy Namehana ihany koa izay izay nahitana taratra ny fandrosoan’ity tanana ity tamin’ny alalan’ny traikefa nananany. Toraka izany koa Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tananan’Alasora izay lisitra faharoa. Nampiavaka ity farany indray ny resaka fitantanana izay nahitana taratra feno ny maha-olon’ny antoko Tiako I Madagasikara azy. Tsy nikatsaka afa-tsy ny resaka fampandrosoana ity Ben’ny tanana farany, fomba fisainana azony sy noratoviny tamin’ny filoha teo aloha Ravalomanana. Mendrika ny ho entina eny anivon’ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza izany hoy hatrany izy roalahy kandida solombavambahoaka eny Avaradrano ireto nandritra ny fihaonany tamin’ny vahoaka.
Pati
Legende : Ny Ben’ny tananan’Alasora Randriantsoa Jimmy an-kavanana sy ny Ben’ny tananan’ny Sabotsy Namehana Avotra Andriamosa an-kavia !

 

Dans la même rubrique

16-janv-2025

Mizotra mankany amin’ny fampandaniana an’i Harilala Ramanantsoa ny voka-pifidianana havoakan’ny Tribonaly

Card image cap
16-janv-2025

Mandeha be ny resaka efa ho andro vitsy izao fa miatrana an-dakazerina avokoa ny foloalindahy.

Card image cap
16-janv-2025

Miha mafana ny toe-draharaham-pirenena ! Niparitaka omaly ny resaka nifamaofaho na avy amin’ny fanambarana

Card image cap
16-janv-2025

Azo lazaina ho takon’ny fiarovan-tseza tanteraka izany izao ny fiheverana izay hampandrosoana ny firenena

Card image cap
15-janv-2025

Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny fifidianana ao Toamasina I. Nanamafy fa hijoro

Card image cap
15-janv-2025

Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina

Card image cap