airtel

Politique

12-avril-2024

Kaomisionin’ny Vondrona Afrikanina

Tsivalanan-dRajoelina ny firotsahan-dRajaonarimampianina…

Sample post image

Taorian’ny fifidianana Filoham-pirenena farany teo no efa nanomboka nivoaka ny resaka sy ny feo,

12-avril-2024

fa isan’ireo kandida hofidiana ho Filohan’ny Kaomisionin’ny Vondrona Afrikanina ny Filoha Malagasy teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Anisan’ireo kandida voasokajy ho tsara toerana amin’ny fifidianana izay voalaza fa efa nanao ny karazana fandresen-dahatra ara-diplaomatika tamin’ireo mpitondra ambony Afrikanina teo aloha. Notaterin’ny Confidentiel Afrique tao anatin’ny fampahalalam-baovaony afak’omaly anefa, fa mbola tsy namoaka ny taratasy fanohanana ofisialy na « parrainage » ny Fanjakana Malagasy tarihin’i Andry Rajoelina. Ankilany anefa, nanambara ofisialy ny fanohanany ny Minisitry ny raharaham-bahininy Mahmoud Ali Youssouf ho Filohan’io Kaomisionin’ny Vondrona Afrikanina ny Fitondram-panjakana ao Djiboutti, ary nandray an-tànana izany tanteraka ny dosieny. I Hery Rajaonarimampianina no tombanana ho tsara toerana handray ny toeran’ilay Tchadien Moussa Faki Mahamat efa 4 taona nitondrana. Ny volana febroary 2025 ny fifidianana, ary efa nanomboka nikoriana teny amin’ireo rafitra ara-diplaomatika matanjaka eto Afrika sy tany Eoropa ny anaran’Atoa Hery Rajaonarimampianina, izay olona voalaza fa isan’ny andrandrain’ny maro ny firotsahany. Nambaran’ny Confidentiel Afrique ary hita taratra amin’ny tontolo politika eto Madagasikara anefa, fa manome lamosina tanteraka Atoa Rajoelina ka tsy mamoaka ny karazana fiantohana na « parrainage » hahafahan’i Hery Rajaonarimampianina manamafy ny firotsahany. Hambo-po diso toerana, miampy ny famporisihan’ny tandapa sasany anefa no lasa sakana no voalaza fa sakana. Nolazain’ny Confidentiel Afrique aza araka ny loharanom-baovaony fa tsy mandray ny antso an-tariby nataon’Atoa Hery Rajaonarimampianina Atoa Andry Rajoelina tao anatin’izay 3 herinandro izay, ary nezahina ny nanao fandresen-dahatra tamin’ireo mpanolon-tsaina sy olona akaiky an-dRajoelina. Voalaza moa na izany aza fa mandeha ny dingana firotsahany ary efa misy ekipa miantsoroka ny dosie mba handehanan’ny dingana fanohanana izay firotsahany izay.
HAMBO-PO DISO TOERANA
Voalaza ihany koa anefa fa tsy tena misy fiantraikany ary tsy manova ny lanjany noho ny fananany ny toerana maha izy azy io resaka fanohanana io. Na izany aza, lasa miteraka ahiahy sy sy mampametra-panontaniana ny anton’ny fanenjanana ataon’ny Fitondrana izay, na ny eo anivon’ny Vondrona Afrikanina aza voalaza fa mba talanjona. Ara-diplaomatika anefa, dia voasokajy ho làlana hahafahan’i Madagasikara mandingana ireo sakana sy miakatra kokoa ny fananana olona tahaka itony eo amin’ny sehatra. Misy tombony lehibe ny fananana teratany Malagasy miady ny tombotsoam-pirenena toy ny eo anivon’ny Tahirimbola iraisam-pirenena na FMI, Banky Iraisam-pirenena, hanazavana ireo laza ratsy manaratsy endrika ny firenena,… Reharehan'ny firenena rehetra maneran-tany ny manohana sy manolotra olona amin'ny fomba ofisialy hilatsaka hitondra fikambanambe iraisam-pirenena izany. Tsy mijanona ato anatiny, fa hakarina hatrany ambony latabatra iraisam-pirenena izany ny adilahy politika ka hatrany amin’ny voninahi-pirenena tokony ho azo aza ahetry noho ny hambo-po diso toerana? Tena tia tanindrazana sy miady ny tombotsoan’ny firenena ve ka ny Filoha Malagasy indray aza no voalaza fa mety hiresaka amin’ny Filohan’i Djoboutti mba hanohanana ny kandidan’io firenena io ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap