airtel

Politique

12-févr-2024

Karinem-pokontany misy « QR Code »

Tena laharam-pahamehana sa tetika hamoaham-bola ?

Sample post image

Notaterina tao anatin’ny filankevitry ny Minisitra ny alarobia alina teo fa ao

12-févr-2024

anatin’ny 100 dia hisy ny fizarana karinem-pokontany misy « QR Code » ho an’ny tokantrano 79 678 ho an’ny laharam-pahamehana voalohany amin’ny kaominina Sainte-Marie, Antsirabe ary Miarinarivo ; tokantrano 412 221 ho an’ny laharam-pahamehana faharoa amin’ny distrika 5 eto amin’ny Faritra Analamanga ; tokantrano 2 082 221 amin’ny distrika ambiny 103 ivelan’ny faritra Analamanga. Noresahana ao anatin’io moa ny fanatanterahana ilay tetikasa « identification unique » ho an’ny Malagasy tsirairay, atao tetikasa andrana ny terabao, izay efa natomboka tamin’ny taon-dasa, ka 6140 hatreto no voalaza fa efa natao an’io tao Antananarivo IV, Toamasina I sy II. Hiitatra manerana ny Nosy ny tetikasa ka ny Banky Iraisam-pirenena no hamatsy vola izany amin’ny alalan’ny tetikasa PRODIGY (PROjet de Gouvernance Digitale et de Gestion de l’Identité Malagasy). « Izaho tena tsy azoko mihitsy ny atao hoe laharam-pahamehana amin’ity Fitondrana ity. Inona kay no tena maha zava-dehibe ny karinem-pokontany asiana « Code QR » ? Ho ahy dia taratasy fanamarinam-ponenana no nilako karinem-pokontany. Amiko raha asiana « Code QR » na atao nomerika dia ny karapanondrom-pirenena satria iny no ilaiko kokoa ary betsaka ny zavatra ilako azy. Dia homena solosaina sy finday ve ny fokontany hamakiana io « Code QR » io ?», hoy ny mpampianatra mpikaroka iray. Raha hiverenana, ny fisitrahana ireo fanampiana ara-tsosialy sy ny raharaha eo amin’ny fokontany no nambara fa nanaovana ity karine ity hanara-penitra. Tao anatin’ny fizarana ireny jiro nifanaritahana ireny, dia isan’ny fepetra ny fananana an’io sy ny karatra maha mpikambana TGV, izay nanome endrika tsy tombotsoa iraisana. Io karine io izay efa nampanarahana loko politika na eo aza ny voalazan’ny andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenana aza fa iantohan’ny Fanjakana ny tsy fitanilan’ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny politika. Marina fa ilaina fa tena io ve no laharam-pahamehana kokoa noho ny karapanondro izay tokony hatao biometrika ohatra ka iny ihany dia tokony hahasolo kara-pifidianana fa tsy handeha handany vola hanonta kara-pifidianana isan-taona ? Ny tena voaresaka amin’ny tetikasa PRODIGY misy famatsiam-bola 140 tapitrisa dolara rahateo dia ny resaka soram-piankohonana sy karapanondrom-pirenena ka ny resaka karinem-pokontany ve no zava-dehibe ? Sao mba fomba sy tetika hoenti-mamoaka volam-panjakana sy maka tombony satria mba fantatra hoe : orinasan’iza no manonta ireo karinem-pokontany. Tena nangarahara sa kiantranoantrano sy kopaka isasahana ho an’ireo olona ao anaty fitondrana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap