airtel

Politique

24-avril-2024

KMF-CNOE

“Atsaharo ny fividianana vahoaka, ataovy madio ny fifidianana”

Sample post image

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

24-avril-2024

fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana solombavambahoaka hatao eto amintsika. Betsaka ireo karazana fihetsiketsehana mety hataon’ireo kandida mba hisarihana ny fon’ny olona manoloana izany. Nivoaka tamin’ny fahanginana avy hatrany ny KMF-CNOE ary nilaza fa tsy mankasitraka ny fanohintohinana ny fahalalahan'ny olom-pirenena hisafidy izy ireo ka anisan’ireny ny fizarana vola, sy fitaovana mba hahazoana ny safidiny. Nampahatsiahy izy ireo fa ny tahirin-kevitra mahakasika ny fifidianana ihany no voalazan'ny lalàna fa azo zaraina mandritra ny fotoanan'ny fampielezan-kevitra. Izay tena hevitra sy anjara birikinareo mpirotsaka ho fidiana entina hampandrosoana ny firenena atosaka hoy izy ireo koa ialao ny ny fitaka sy ny lainga ary ny fampihorohoroana. Nahazo ny anjarany ihany koa ny filoha sy mpikambana amin’ny andrim-panjakana rehetra. Ialao lavitra ny fampiasana ny fahefam-panjakana, ny fampiasana ny fitaovam-panjakana (fiara, olona sy ny sisa) hoy izy ireo. Ianareo voakasiky ny fikarakarana ny fifidianana mivantana (CENI, HCC), tsy hisy fibaikoana azonareo raisina afa-tsy ny làlana sy ny feon’ny fieretreretanareo irery ihany. Ianareo no antoky ny fangaraharahan'ny fifidianana. Fantatra hatrany fa tsy ho mora fa adidy efa nekenareo saingy ataovy ankahalalahana sy am-pahamatorana izany. Ho an’ireo mpiasam-panjakana moa dia nanasa azy ireo hanaja ny sata mifehy azy amin’ny tsy fiandaniana amin’izao fampielezan-kevitra izao ny KMF-CNOE. Tanjon’izy ireo ny mba hisian’ny fifidianana avy amin’ny safidim-bahoaka malalaka fa tsy misy teritery arahin’ny fitandroana ny rariny sy ny hitsiny. Pati
Legende : Mijoro ho mpanabe olom-pirenena hatrany ny KMF –CNOE !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap