airtel

Politique

28-avril-2026

KOHEN RIVOLALA

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

Sample post image

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

28-avril-2026

hoy Kohen Rivolala Filoha mpanorina ny antoko politika Ctic Ctac Dou an'i Madagasikara raha naneho ny heviny mikasika ny fanaratsiana sy ny fanenjehana hataon'ny sasany ny Filohan'ny fanavaozana ankehitriny izy. Tsy mora ny manarina Firenena iray hoy izy ary tsy hary ho vita ao anatin'ny enim-bolana nitantanana ny Firenena avokoa ny Filaminam-bahoaka rehetra. Mandeha mian-dalana io ary marobe ireo fiovana efa mba hita taratra ka tsy azo hodiantsy hita. Anisan'izany ny fihenan'ny vidim-bary eny an-tsena, ny fihenan'ny delestazy izay tena nampikaikaika ny maro, ny fandehanan'ny asa fanamboaran-dalana maro etsy sy eroa....Nampitandrina ireo manendrikendrika ny Filohan'ny fanavaozana noho izany i Kohen. Tsy azo hatao ny miampanga olona tsy misy porofo indrindra raha Raiamandreny tahaka ireny. Voararan'ny Baiboly izany hoy izy raha Kristianina ny olona iray. Notsiahiviny moa fa vonona hanitsy sy hanolo-tsaîna ny Mpitondra Kohen raha misy zavatra tsy mety hataony. Vonona ihany koa ny tenany hifanome tanana amin'ny fanatanterahana ireo karazana fifidianana maro samihafa eto amin'ny Firenena mba hahatongavana amin'ny tena ara-dalana.
Pati
Légende : Kohen Rivolala, Filohan'ny antoko politika Ctic Ctac Dou an'i Madagasikara !
 

Dans la même rubrique

19-juin-2026

solontena ao amin’ny HCC…

Card image cap
18-juin-2026

amin’ny ara-dalàna no tokony hapetraka!»

Card image cap
18-juin-2026

Raha somary nangingina ilay raharaha

Card image cap
18-juin-2026

Mahay miasa aho ! », hoy ny Filohan’ny

Card image cap