ny fotoana ela ny Filoha mpanorina ny Antoko AVI Atoa Norbert Lala Ratsirahonana, dia nipoitra izy ho an’ny andron’ny omaly alakamisy 06 aogositra 2026. Nihaona tamin’ny Filohan’ny fanavaozana Kolonely Randrianirina Michael teny Iavloha ny Antoko AVI tarihin’ny Filoha mpanorina Norbert Lala Ratsirahonana sy ny filoha nasionaly, Dr Zavamanitra Andriamiharivolamena. Nifantoka tamin’ny dingana tokony harahina amin’ny fanatanterahana ny fifampiresahana ara-politika sy ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena ny votoatin-dresaka, raha ny fampitam-baovao ofisialy. Nisongadina tao anatin’ity fihaonana ity moa ny fanambaran’ireo mpitarika ny AVI fa manohana ny Fitondrana Fanavaozana ity Antoko ity. « Anisan’ny lalana hirosoana amin’izany fanavaozana izany ny firosoana haingana amin’ny fikaonandoham-pirenena izay hiantohana ny fandraisan’ny rehetra anjara amin’ny famolavolana ny hoavin’ny Firenena », hoy hatrany ny AVI. Nampahatsiahy ity antoko naorin’Atoa Norbert Lala Ratsirahonana ity fa ny fifampidinihana nasionaly dia dingana tsy azo hamaivanina, satria manome antoka ny fandraisan’anjaran’ny rehetra amin’ny famaritana ny hoavin’i Madagasikara. Nanapa-kevitra hanomboka fifampiresahana ara-politika ho fanamorana ny dingana Fanavaozana na “Refondation” ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael, ka efa nisy ny fihaona tamin’ireo filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina. Io no dingana voalohany amin’ny fifanatonana politika, iaraha-midinika sy iaraha-mamolavola ny hoavy politikan’i Madagasikara. Misy endrika fampitoviana tadin-dokanga ara-politika na fampihavanana politika amin’ny lafiny iray.
MIDIKA INONA NY FIVOAHANY ?
Ara-politika, mety ho azo heverina fa manan-danja sy misy dikany lehibe ny fahitana indray an’ity mpanao politika malaza sy nitety vanim-potoana ity. Herintaona latsaka, ny 19 oktobra 2026 taorian’ny fionganan’ny Fanjakana Rajoelina no tsaroana nanaovany fanehoan-kevitra lehibe ara-politika farany tamin’ny fandaharana tamin’ny haino aman-jery, ka nilazany an’ilay hoe : « … Rehefa miala izahay dia mianjera ny Fanjakana ». Naneho izy fa tsy fanonganam-panjakana no nisy teto herintaona lasa. Ny fanonganam-panjakana izany misy hetsika miaramila matetika.Nahare ve isika fa nisy fanafihana lapam-panjakana ve ? Nisy fanafihana ve ny tranon’ny Filoha na ny minisitra ? Isan’ny mpandray anjara feno tamin’ny raharaha 2009 izy, saingy nilaza hoe : « Aza adino fa tamin’ny 2009 nisy nanafika lapam-panjakana, nisy fitifirana « lance roquette » tamin’ny lapan’Iavoloha ». « Ny farany teo, dia fiarovana vahoaka no nataon’ny miaramila, fa tsy hoe andeha horaisintsika ity Fanjakana ity, ny vahoaka no niteny hoe miala ny filohan’ny repoblika », hoy izy tamin’izany. Eo anatrehan’ny filazana fa miova palitao, dia rehefa tsy mifanaraka amin’ny foto-kevitro sy ny AVI no ataon’ny mpitondra dia miala izahay, tsy manadio tena aho, fa zava-misy no lazaiko, zavatra marina ary iainana, hoy i Norbert Lala Ratsirahonana. Ny 19 novambra 2023 no efa nametraka fiaraha-mitantana amin’ny Antoko AVI, efa nampiseho fa hijanona rehefa lany ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina, dia efa nijanona, tsy nanana birao intsony tany an-dapa sady tsy nangataka, raha ny filazany. Nilaza fa tsy manompo olona, fa foto-kevitra no tompoiny : hanangana fanjakana tsara tantana, manaja zon’olombelona, demokrasia, fitsinjaram-pahefana tena izy,… « Hanova rafitra isika, kanefa na ovaina in-jato amby arivo eo aza io, kanefa ny olona ao anatiny tsy vonona hanaja rafitra, tsy hanaja fitsipika dia ny eo ihany no miverina. », hoy Atoa Norbert Lala Ratsirahonana. Efa somary nikisaka amin’ny politika izy raha raisina amin’io. Mbola mitoetra ve ny hoe : tsy azo hihodivirana amin’ny politika eto Atoa Norbert Lala Ratsirahonana izay nosokajiana ho nanao ny mafana sy ny mangatsiaka teto ? Mbola misy lanjany sy dikany lehibe ara-politika ve ny fahitana azy indray sa amin’ny maha Raiamandreny mahalala betsaka ny toe-draharaham-pirenena dia zava-dehibe foana ny mihaino ny soso-kevitra arosony?
Toky R