Mila mailo isika amin’ireo izay tena kendren’ireo firenena milaza sy miseho ho tia ka manampy sy manasoa antsika, hoy ny mpahaifiarahamonina, Gérard Ramamimampionona. Tena manasoa sa maka ny soa eto ireo firenen-kafa, hoy izy? Tsy mahagaga anefa izany raha isika izay mahazo fahefàna hatrizay aza tsy manasoa ny malagasy. Ny vahiny indray ve no hantenaina fa tena tia ny malagasy, hanasoa, hampandroso azy? Sao manonofy isika ka samy mila miala amin’ny fitiavan-tena ary miara-manontany tena hoe aiza ny tena fitiavan-tanindrazana? Iza no tena andrasana hitia ny malagasy? Ny faharavàna, ny fahapotehana, ny tsy fisian’ny fiarahamonina no tsy ahafahana miara-midinika sy miara-mikaon-doha ka tsy ahafahana mametraka fitondràna mari-toerana maharitra, afaka miasa milamina. Fiarahamonina inona sa ahoana nefa no tiana resahana? Misy fiarahamonina politika ve eto sa fifanjevoana anaty fifanakorontanana, fifaminganana sy fifanilihana ary fifankatahorana sy valifaty? Misy fiarahamonina ara-toekarena ve anjakàn’ny ampihimamba sy ny efa be vola? Anaty fifaninànana tsy marina, feno kajikajy sy kolikoly ka mamono ny kely fofon’aina ve? Ny fiarahamonina ara-tsosialy, io iarahantsika mahita sy miaina io. Anjakàn’ny loto sy herisetra ary fifamonoana ka misara-bazana samy maka ho azy anaty fahantrana maro loko. Ny fiarahamonina ara-kolontsaina lavitry ny tena fototry ny soatoavina sy kolontsaina malagasy. Toa lasa seho ivelany mandalo sy miserana ka voatsindrin’izay avy any ivelany mahay manodoka? Ny faharavàna na tsy fisian’ny fiarahamonina iray amin’ireo dia tsy ampy tsy hampandroso ny firenena. Raha hanavao dia ny foto-piarahamonina no havaozina sy hiaingàna, iaraha-midinika ahafahana mitondra tsara ho amin’ny fampandrosoana. Zary fitaka hanangolena sy handranitana ary hampiadiana antsika samy malagasy, indrindra ny mpanao politika sandoka, ny firesahana fiaraha-mitantana, raha tsy misy ny fiaraha-midinika marina sy lalina anatin’ny tena fitiavana ny malagasy. Ho sandoka sy fitaka ivelany fotsiny ihany koa nefa ny fiaraha-midinika raha tsy miainga anaty fiarahamonina marina. Ady sy fikendrena tombontsoa manokana ho an’ny tena ihany izany. Tsy mihevitra akory ny soa iombonana malagasy no lasa tanjona kinendry toy ny fahita hatrizay. Mampitoetra ny maro sy ny firenena anaty fahantrana foana. Mila mailo isika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija