airtel

Politique

11-juin-2024

Kolekitifa, vondron’ny kandida,

herivelona samihafa « Ampy izay! Havaozy ny CENI sy HCC, sahia mijoro »

Sample post image

Ampy 'zay! Io no navoitran’ny Vondrona Politika Kolekitifa an’ny Malagasy sy ireo hery politika sy herivelona

11-juin-2024

samihafa, kandidan’ny vovonana sy kandida tsy miankina tao anatin’ny tsoa-kevitra politikan’izy ireo tetsy amin’ny La Rotonde Besarety omaly 11 jona 2024, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Sesilany ny fandikan-dalàna teto amin'ny firenena hatramin'izay, lasa fahazarana sy fomba amam-panao, ka mampilentika hatrany ny sarababem-bahoaka ao anaty fahantrana sy fahasahiranana lalina. Notsikafon’izy ireo fa mibaribary ny fihoaram-pefy sy ny lainga samihafa, izay lasa fomba enti-manao politika sy mamiravira ny firenena amin'izao fotoana izao. Manjaka kolotsain'ny tsimatimanota sy ny horohoro aterak’izany amin'ny olom- pirenena, na dia amin'ny fanehoan-kevitra an-kalalahana izay arovan'ny Lalampanorenana tahaka ireo hijoroanay izao aza. Niharihary ny hala-bato, ny fividianana sy fanodikodinana safidim-bahoaka, izay niharihary hitam-poko hitam-pirenena tamin'ny fifidianana solombavambahoaka nandraisanay anjara teo, izay saika re manerana ny Nosy. Samy milaza fa mahita halatra sy fandikan-dalána na ny kandidan'ny fitondrana, na ny avy amin'ny mpanohitra na ny tsy miankina. Noho izany, mitambatra sy miray feo ny herivelona samihafa ankehitriny fa ampy izay ny : fanitsakitsahana ny Lalampanorenana miverimberina, ny fanerena mpiasam-panjakana ho fitaovana hanodikodinana safidy sy hanaovana didy jadona, ny tsy maty manota, ny afitsoky ny dahalo ambony latabatra, ary ny kolikoly izay zary raiki-tapisaka amin'ny raharaham-bahoaka rehetra hatramin'ny raharaham- pifidianana, ny fanaovana ramatahora amin'ireo mijoro mitaky ny fahamarinana, ny fanekena voka-pifidianana tsy mifanaraka amin'ny lalana sy ny safidim-bahoaka marina,... Tsy ekena ny hametrahana solombavambahoaka lany tamin'ny hosoka sy hala-bato, hamolavola sy handinika ary handány ny lalàna hitondrana ny tany sy ny firenena, hoy hatrany ny fehin-kevitra. Niantefa tamin’ny Malagasy tsy an-kanavaka noho izany ny antso avo naneho, fa voaporofo izao, fa marina sy rariny, ny anton'ny nijoroan'ny mpanohitra tamin'ireny fifidianana filobam-pirenena tamin'ny taon-dasa, ka mila miray hina ny malagasy tsy hanaiky intsony ny halatra amin'ny endriny rehetra, na halatra volam-panjakana, na halatra harem-pirenena, na hala-bato amin'ny fifidianana, tsy azo ekena ny fifidianana feno hosoka, hala-bato, ary fividianana safidim-bahoaka, ho fototra hametrahana Antenimierampirenena hamolavola sy handany lalana hitondrána ny tany sy ny firenena. Nanipika anefa izy ireo, fa tsy ady hevitra mikasika ireo voalaza fa lany na ireo tsy lany no tanjona, fa ny hiaro ny fahamarinana amin'ny fanaovana ny fifidianana sy ny fitantanana ny firenena. Na inona na inona voka-pifidianana, dia efa fifidianana feno fandikan-dalána sy hala-bato iny natao iny. Takian’izy ireo noho izany ny fanavaozana tanteraka ny CENI sy ny HCC ho fanatsarana ny fitantanan- draharaham-pirenena sy hampanjakana ny tany tan-dalana. Koa esory ny tahotra, aza matahotra milaza ny tsy manjary, mijoro izahay hanampy ny vahoaka malagasy hiteny sy hilaza ny tsy mety, ka tsy tokony hiandrasana an-dRakoto na Rabe fa ny rehetra no tokony hahatsapa hoe : inona no tokony hatao, hoy ny fanambarana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap