airtel

Politique

28-mars-2024

Krizy, loza, olan’ny firenena,…

Ombay mitady ny Praiminisitra !

Sample post image

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

28-mars-2024

Tsy takona hafenina ny toe-draharaha ara-politika izay nafampana sy nisafotofoto tato ho ato. Misongadina amin’io ny raharaha Filohan’ny Antenimieram-pirenena na ny PAN. Ankoatra ny politika, dia tsy fahombiazan’ny fahefana mpanatanteraka izay ny Praiminisitra no lehibeny aorian’ny Filoham-pirenena no voatsikera ankolaka na mivantana ho tsy mahavaha ny olam-bahoaka. Ireny no anton’ny fitsipaham-pitokisana nokantsanana teny am-pandehanana ny desambra 2022. Izay eo ihany, fa efa tao anatin’ny herinandro teo ihany koa no nisedra olana goavana ny any amin’ny tapany atsinanana sy avaratry ny Nosy. Efa dibo-drano tao anatin’ny herinandro ny tany amin’ny Faritra Atsinanana sy Analanjorofo noho ny toetr’andro, saingy tsy tena hita izay nafitsoky ny governemanta, ary nangina tanteraka ny Praiminisitra. Io iaraha-mahita io ihany koa, fa niitatra ny fahavoazana noho ny rivodoza Gamane, tena anaty voina goavana ny any amin’ny tapany Avaratra, toy ny any amin’ny faritra Diana, SAVA, Sofia,… saingy tsy andrenesam-peo ny Praiminisitra. Ny Minisiteran’ny mponina ihany koa moa toa tsy dia tazana sy tsy re feo eo anatrehan’ny zava-misy. Marina fa misy ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy tandindon-doza, saingy toa tsy tena antenaina firy. Sanatrian’ny vava lasa mpitanisa fahavoazana sy manisa traboina no tena asa misongadina satria tena tsy vitan’ny BNGRC samirery intsony ny fiahiana ireo vahoaka. Izay tsy lasibatry ny loza voajanahary lasibatry ny fahantrana sy ny fidangan’ny vidim-piainana, ny delestazy, fahasimban’ny làlana,… Mbola olana stratejika be mivadika ho krizy nasionaly ny olan’ny herinaratra izay toa tsy voavahan’ny Jirma sy ny Minisiteran’ny angovo intsony. Marina fa misy departemanta misahana ireny olana sy sehatra samihafa ireny, saingy mba mahagaga ihany ny tsy fahitana sy tsy hahenoana firy ny Praiminisitra ka mahatonga ny fanehoan-kevitra hoe: ombay mitady ny Praiminisitra. Misafidy ny hipirina sy tsy hiteny eo anatrehan’ny zava-misy sa miasa mangina?
Toky R

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap